Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h01
 

Répondre à un commentaire

8 janvier 2018 à 15:12 | Tsisdinika (#3548)

Mankahery ny mpiray tanindrazana tra-doza sy tra-boina vokatr’iny rivo-doza iny. Enga anie hahay hifanome tànana ny samy Malagasy na dia fefiky ny fahasahiranana aza ny ankamaroantsika. Asehoy amin’ny asa ilay maha-kristiana dradradraina eto amin’ity kianja fiadian-kevitra ity fa izay no andrasan’ny rahalahinao/rahavavinao efa kivy sy ketraka noho ny fisafoakanan’ny zavaboahary.

Miarahaba manokana an’i njarasoa, Lantosoa, Tax Boom, Revolutionnaire, ravony zoely, Rabenjamina Ruddy, Olombelo tsy andevo, TRICE, Manantena Rasolo, Amour de la patrie, Zazalahy Manoratra, Hanitriniala, sns sy izay anarana rehetra mety hoforoninao ao...hita be fa olona iray ihany ianao ary hita be ilay tianao hahatongavana. Raha atao hoe tsy olona iray ianao fa tena 11 isa marina, ankoatra izay hipoitra eo, dia tsotra ny hafatra : « aza maro tànana foana toy ny foza » hono hoe fa raha samy manampy ny mpiara-belona ianareo rehetra ireo amin’izao voin-kavana izao, hisy vokany kokoa ny tolona ataonareo. Atsipy ny teny an’ny am-pon’ny mahalala tompoko o.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS