Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Répondre à un commentaire

22 avril 2017 à 08:34 | lysnorine (#9752)

« La terre aux Malgaches »
« La loi sur les investissements 2007-036 qui autorise la vente de terres malgaches aux investisseurs étrangers devra être modifiée »
Tsy misy tokony hanaovana resaka lava sy fampiadian-karajia ity tantara ity fa FOANANA, RAVANA tanteraka fotsiny ny lalàna mamohehatra FIVAROTAN-TANINDRAZANA nampandanian’Ingahy Ravalomanana ny depiote tamin’ny 2003 : « loi 2003-028 modifiant et complétant certaines dispositions de la Loi n° 62-006 du 06 juin 1962 fixant l’organisation et le contrôle de l’immigration modifiée par la Loi n ° 95-020 du 27 novembre 1995 » .

Marihina fa tsy mari-pototra velively ny voalazany ho antonanton-javatra nanefena ilay lalàna (exposé des motifs), dia ny hoe fanambatambazana ny mpihaza tombon-karena aman-tombom-barotra avy any ivelany (« investisseurs étrangers ») mba hampiasa ny renivolany aty Madagasikara.

« L’accès des étrangers à la propriété immobilière constitue cependant une CONDITION INCITATIVE POUR LES INVESTISSEURS à venir s’établir à Madagascar et contribuer au développement de la Nation » :

Na tsy hain’Ingahy Ravalomanana sy ny niara-niasa taminy tsara ny fomba fifampiraharahana sy FIADIAM-BAROTRA amin’izay orinsa na olon-kafa firenena ta-hihaza tombon-karena sy tombom-batrotra eto Madagasikara na fanavaozana ankitsirano ny pôlitika FIVAROTAN-TANINDRAZANA nataon-dRadama faha-2 tamin’ilay CHARTE LAMBERT (Nohamafisiny tamin’ny Nôvambra 1861 ilay fanekena an-tsokosoko, tsy ara-dalàna nataony sonia tamin’ny Jona 1855 faha-velon-dreniny Ranavalona 1).

Manarak’izany ianao Fanjakana tompon-tany no tokony hanana TETIK’ASA isan-karazany hanabezam-boho ny Ekônômia-nao, haroso amin’ izay mieritreritra ny hihaza tombon-karena sy tombom-barotra eto amin’ny tokantranonao fa tsy hoe mandray befahatany izay kasainy hatao rehetra ka hataony toy ny « hanina omena andevolahy : tsy tian-kano, tian-kano », indrindra moa raha mahazo tosika avy amin’ny « mpampanjanam-bola » na hoe « BAILLEURS DE FONDS » izy ireo. Ny tetik’asa dia tena avy aminao manokana fa tsy NOBITSIBITSIHINY taminao tsy akory ka raha tsy ataonao tsianjery tsara dia tsy mahazo « vato mamy » ianao.

Izany hoe tokony (ohatra) ho mahavita ohatran’ny nataon’ny Ministère du Plan tany Côte d’Ivoire momba ny « investissements publics » ny governemanta malagasy, dia ilay nantsoiny hoe « Perspectives DÉCENNALES de développement économique, social et culturel 1960-1970 ». Tsy fandaharana fotsiny ny lisitry ny « kasaina hatao » amin’ny ankapobeny (« catalogue d’intentions générales ») no raketin’izany fa antontan-tetik’asa mazava tsara isak’izay faritry ny ekônômia nalahatra arakaraka ny fiheverana azy ho zokin-draharaha.

Mazava ho azy fa miara-foanana sy ravana amin’ilay Lalàna 2003-028 (tamin’ny 22 Aôgositra 2003) ny « Loi N° 2007-036 du 14 janvier 2008 sur les investissements à Madagascar » sy ity EDBM ity ( Economic Development Board of Madagascar) izay toa olon-kafa firenena rahateo moa no napetrak’Ingahy Ravalomanana hitantana azy HANAMORANA ny FIVAROTAN-TANINDRAZANA amin’ny endriny rehetra.

Mifanindran-dalana amin’izany rehetra izany ny fanafoanana na fanakanana ny famoromporonana itony hoe ZES (Zones Économiques Spéciales) sy indrindra izany ZIA (Zones d’Investissements agricoles ) izany.

TSY MISY AFA-TSY NY FAMPORISIHINA NY FIANAKAVIANA MALAGASY HAMBOLY SY HIOMPY IHANY NO HAMPANDROSO NY SEHATRA MOMBA IZANY (« agriculture familiale »). Fohy fijery, tsy mitsimbina velively ny tombon-tsoan’ny Vahoaka sy ny Firenena na izao dia izao na amin’ny ho avy ny pôlitika mitory hoe :

« Ces zones sont “destinées aux exploitations agricoles et économiques des investisseurs ‘privés nationaux et étrangers’ dans le cadre du Programme National Foncier (PNF) et du Programme National d’Investissement Agricole, Elevage et Pêche (PNIAEP) et prévoient de créer 2 MILLIONS d’hectares de ZIA en 10 ans”.

Pôlitika fizaran-tany mirefy sahabo ho 5 (DIMY) hektara amin’izay fianakaviana KELY vonona ny hamboly sy fanampiana azy amin’ny fomba rehetra any am-piandohany, ary FIAROVANA azy no ilaina ambonin’ny FANADIOVANA » tsy misy hatak’andro ny domaines, ny fitsarana, ny herim-pamoretana, izay samy MPAMELY ny ambanivohitra roahina amin’ny taniny, ho fiarovana ny tombon-tsoan’ny orinasa vahiny MPANOLIKOLY azy ireo.

Koa tsy mahagaga loatra raha bantimbantin’ny olon-kafa firenena sy hihomehezany ary hataony famotsian-tai-nify mandrakariva ny mpitondra fanjakana sy ny « teknisiànina » malagasy avara-pahaizana amam-pahalalana.

Raha mbola mikiribiby tsy miala amin’ny lalan-kitan-kisoa nampanarahan’ny any ivelany (FMI, Banky Mondialy, « bailleurs de fonds », sns.) azy ny mpitondra sy mpanapaka malagasy, dia na rahoviana na rahoviana tsy hisy fanefiny ny fahaverezan’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy.

Fa raha tahiny anefa mahavolavola tsara ny pôlitika HAFA tokony hotontosaina izy ireo, ka ny tombon-tsoan’ny vahoaka sy ny firenena ary ny ho aviny marina no tena banjininy, ary azony ampiharina tsara izany pôlitika vaovao izany rehefa VOADIONY MIALOHA ny Fanjakana sy ny andrim-panjakana mbany ny sehatra fanaovana pôlitika, dia tokony hisy masoandro kely mihiratra amin’izay ao anatin’ny telo na efa-taona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS