Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 15h00
 

Répondre à un commentaire

14 janvier 2017 à 11:49 | RAMBO (#7290)

@ Tsimahafotsy.
Tena mba mahagaga ihany ity Tsimahafotsy ity satria noheveriko fa olona manana fahalalàna bebe kokoa amin’ny zavatra politika nefa toa hafa ny fahalalàny ?
Raha niteny aho hoe :NY POLITIKA DIAFOMBA AHAZOANA NY FITONDRANA NO FENITRY NY POLITIKA ARY REHEFA AZO NY FITONDRANA DIA FOMBA HITAZOMANA NY FITONDRANA INDRAY NY FENITRY NY POLITIKA...ARAKA NY LALAM-PANORENANA MAMETRA NY MANDAT HOA 2 IHANY.
Heveriko fa mpiantsara ivelantsihy izay mandaha izany...ary voasoratra amin’ny raiki-tsoratra sy ny boky fianarana izany...Ny hoe entina mitantana ny Tanàna (cité) sy izay mahasoa azy dia marina koa fa andraikitry ny politika fa raha ny tena marina dia hovaiko kely indray izany mba ho azon’i Tsimahafotsy...Ny mpanao politika dia manana ny Antoko politika izay fitaovana hanamparihahana hevitra politique entina mahazo ny Fitondràna....Rehefa azo ny fitondràna dia ny fikarakaràna ny Tanàna sy ny fiaraha-monina no andraikitry ny Mpitondra...kanefa koa dia andraikitry ny Antoko politika no manohana ny Filohany eo amin’ny Fitondràna mba hahavitany ny « mandat » sy ny fampadrosoana izay andraikiny.
Diso i Tsimahafotsy raha mihevitra fa hevitr’i Rambo io fa tsy ao amin’ny raikin-tsoratra sy ny boky fianarana...
Fanontaniana tsotra : Maninona ry Ravalo (70 ans) Zafy(83 ans) Ratsiraka (80 ans)Rajoelina(45 ans) no mbola mitady hiverina amin’ny fomba rehetra eo amin’ny fitondràna...MIsy aza amin’ireo no « miventsoventso mangina » ny hanongànana an’i Dadajao...Ka inona no olana raha i Dadajao mahazo ny fitondràna no mitady ny fomba hamitany ny 2 mandats droit-ny ?
Ianareo anie dia maika ny hamerina an-dRavalo eo amin’ny fitondràna nefa anie io Ravalo io mpandraraha gaigy lahy no niandohany ê..Tsy misy fantany izay politika araka ny tena heviny marina fa ny azy vola vola vola ihany...Izy (Ravalo) ary tamin’ny voalohany dia nangalatra ny atody sy ronon-dry Masera hamidiny..Qui vole un oeuf volera un boeuf. Hoy ny teny baiko. Izany no tsy hahafahany mihetsika intsony eto Antananarivo satria efa lany ny paiso ankady. Taloha anie ka tsy fantatra intsony na volam-panjakana na volany manokana no nanaovan’ireny lalana sy asa vaventy ireny ê ! Fa ny tsy mandinika dia faly fotsiny hoe nahavita be i Ravalo ? Nefa "dominy tapany ny Gasy fa avy eo nasiany nandoha erany.
Momba n’ny resaky an’io HCC tsy naka fanampahan-kevitra dia izao no hevitro...Ny mpanohitra dia tsy ny lalàna no mamaritra azy fa « état de fait »...Misy seza ato amin’ny AN ho an’i mpitaika ny mpanohitra nefa taiza i Hajo hatramin’izay ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS