Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h11
 

Répondre à un commentaire

28 novembre 2016 à 12:26 | TSIKOZA (#7624)

Misaotra ry ranabavy sy rahalahy isany ! Tsy voavidim-bola ny ezaka nataonareo ; henatra ho an’ny mpitondra fanjakana izao ; tsy misy afa tsy ny ramatahora ihany avy amin’ny alalan’ny herim-pamoretana no azony atao fa tsy mandaitra izany eo anatrehan’ny fitiavan-tanindrazana.
Isika samy malagasy no mifamely eto nohon’ny tahotr’ireo mpitondra ; tadidio anefa fa nirongo basy aman-tafondro anie ny vazaha teto nefa resy ihany e, de lasa nody. Raha hiady amin’ny mpitondra tsy manaja ny zon’olom-belona, tia famoretana, tsy tia fahalalahana, mangalatra volam-bahoaka, tsy manaja ny mangarahara, dia tsy mba ho reraka isika fa hitaky hatrany eny fa na dia ny fialany eo aza.
Ianareo izay lehiben’ny andrim-panjakana, marina fa izy no nametraka anareo teo satria tsy olom-boafidy ianareo fa notendrena ; fa mba tsarovy ihany ny marina, ampiharo ireo fahalalana nianaranareo fa aza miafina ao ambadikin’ny fitiavan-tombontsoa sy seza. Miverena amin’ny vahoaka fa izy no hiaro sy hametraka haja ho anao any amin’ny farany.
Mahereza daholo ; mbola ho avy ny maraina. Ny mpitondra tsy nahomby dia mifarana ny « mandat ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS