Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Répondre à un commentaire

2 décembre 2016 à 13:16 | lysnorine (#9752)

@ 28 novembre à 19:18 | papangue (#9623)
(Tohiny 4)

Niezaka hatrany hatrany ny nampihena ho an’alina vitsivitsy ny isan’ireo Malagasy naripany ireo nandritra ny 18 volana teo ho eo ny fanjakana sy ny kôlônialista frantsay taty aoriana. Hoy anefa ny mpikaroka frantsay iray – Francis Koerner – nandalina ny momba ny tantaran’ny fanjanahan-tany teto Madagasikara : Lainga be vava ny tarehi-marika navoakan’ny fanjakana frantsay hoe teo anelanelan’ ny valo arivo (8000) sy iray alina (10000) no isan’ny tompon-tany malagasy maty, satria tao amin’ny distrika IRAY FOTSINY, tao Nosy-Varika, dia nihena 13 isan-jatony ny isan’ny mponina, izany hoe sahabo ho sivy alina (9000) araka ny tatitra nataon’ ny sefon’ny distrika :

« Le chiffre OFFICIEL des morts malgaches : 8 000 à 10 000 est une CONTRE-VÉRITÉ FLAGRANTE. Rien que dans le district de NOSY-VARIKA on enregistre une RÉGRESSION de 13 % de la population en 1948, soit 9 000 personnes (Archives de la République Malgache, Rapport du chef de district) »
[Francis Koerner, Madagascar, colonisation française et nationalisme malgache, XXe siècle, Éditions L’Harmattan, 1994, p.333 (note 9)].

Ny fanontaniana manitikitina ny saina dia tsy ny hoe latsak’io tarehi-marika 89,000 io ve ny isan’ny voaringana fa hoe hatraiza ny mety ho FIHOARANY azy araka ny fivoasana ireto toe-javatra vitsivitsy ireto notsongaina tao anatin’ny zavatra maro tsy ho voatanisa eto :

1° Tsarovana fa, araka ny nampongatry ny gazety « L’Avenir de Madagascar » taty aoriana tamin’ny 5 Septambra 1947, dia, vantany vao nipoaka ny fikomiana dia nanambara i Liotard, Filohan’ ny « Ligue de défense des intérêts franco-malgaches » – ilay fikambanana nivondronan’ny kôlônialista frantsay – hoe : ny hany ody fitsaboana ity fikomiana ity dia ny manajedaka Malagasy roa alina (20 000) ao Antananarivo ao anatin’ny iray andro isaky ny kisendrasendra tojo aminy ! ( »20 000 Malgaches exécutés dans les vingt-quatre heures à Tananarive, au hasard des rencontres »). Koa tsy nahagaga raha nitranga ny fandriganam-bahoaka tambabe ( « génocide » ) . Ambonin’izany, dia efa nozaraina basy aman- piadiana ary fomba hihazany ny MDRM sy ny Malagasy ny Vazaha sy ny Malagasy PADESM ;

2° Nanomboka tamin’ny Asabotsy 29 Martsa tamin’ny 11h 30 alina ka naharitra HADIN’ny EFATRA SASANY, hatramin’ny Alahady maraina tamin’ny 4 ora, hono, ny fanafihana ny toby tao Moramanga sy ny tanàna, kanefa 22 (roa amby ny roapolo) fotsiny no isan’ ny matin’ireo mpanafika ireo, ary toa afaka nanapatra tsy voaelingelina izany izy ireo nandritra izany fotoana izany. Mahagaga koa fa nianavaratra nankany amin’ny faritra fanjakan’ny voanjo, mankany amin’ny faritry ny Farihy Alaotra izy ireo avy eo, dia nanjavona :

« à Moramanga- Pertes sérieuses : nous avons 22 tués (dont 4 officiers et 3 sous-officiers français) et 12 blessés. Une cinquantaine de fusils sont emportés par les rebelles.
« aux environs de Moramanga . en direction du lac ALAOTRA, les concessions sont pillées et les colons massacrés » [mahagaga fa tsy mba nisy tarehi-marika momba ireo naseho teto !]
[Commandement Supérieur des Troupes de Madagascar et Dépendances, État-Major, 2me/ Bureau, Madagascar - Documentation Sommaire (Secret), Mars 1948, p. 149.]

3° Ny alahady 30 Martsa dia navela namaly faty tamin’ny vahoaka tao Moramanga ny namany maty (15 izany) ny miaramila Saonagaly ka valon-jato sy roa arivo (2800) no naripany
« Le lendemain de l’attaque de leur camp, les Sénégalais se livrent à des représailles atroces sur une population qui n’est pas responsable. 2.800 hommes, femmes et enfants sont massacrés. »
[Robert Boudry, À Madagascar, Le procès de Tananarive, Les problèmes culturels, La Pensée, n° 22, janvier-février 1949, p. 11]

4° Dans la région d’Ambatondrazaka où aucune révolte n’a éclaté, tous les membres du M.D.R.M. ont été arrêtés préventivement, transférés à Moramanga dans deux wagons fermés qui furent démolis par auto-canon. Le massacre fit 75 victimes.
[Robert Boudry, ibid., p. 8 .]

5° Hoy ny Frantsay iray mpiasan’ny gara – BREZZIA – nahita ny famonoana Malagasy an-jatony maromaro tao Moramanga :
« Tous les Malgaches furent entassés dans le bâtiment Basset, cinq à six cents, pendant trois jours et trois nuits, couchés à plat ventre. Dès qu’un homme bougeait, des rafales partaient, tirant dans le tas. Dix, vingt, trente, quarante prisonniers à la fois : cent cinquante environ furent ainsi tués. Ce carnage restera dans la tête des indigènes pendant des siècles. »
(note 1 : Il fut immédiatement envoyé en France pour avoir exprimé son indignation au haut-commissaire de Coppet).
[Pierre Boiteau, Contribution à l’ histoire de la nation malgache, Éditions Sociales, Paris, 1958, p. 387]
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS