Fihinanana hen’omby
Mandositra ny mpihinana
vendredi 4 avril 2008 |
| 518 visites
Sahiran-tsaina ny mpanjifa amin’ny feo miely momba ny aretina eo amin’ny hen’omby. Zary mihanahana fotsiny ity sakafo ity eny an-tsena ankehitriny, satria miteraka tahotra ho an’ny vahoaka ny aretina entiny.
Na dia efa nanambara aza ny mpitondra fanjakana fa voafehy tanteraka ny momba ity aretina mpahazo ny omby ity, dia hita hatreto fa mihanaka amin’ny fomba haingana ny feo izay toa mampitandrina ny olona tsy hihinana izany hena izany. Miainga eny amin’ny mpivarotra, mipaka hatrany amin’ny (...)