Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 13 juin 2026
Antananarivo | 17h08
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Fampihavanam-pirenena

    Voadaka ny fanirian’ny CRN

    lundi 15 décembre 2008 | Penjy R. |  924 visites
    Tsy isan'ny ho dinihana ao anatin'ny sata hifehy ny antoko politika ny resaka fampihavanam-pirenena sy ny raharaha 2002. Toy izany koa ny famoahana ireo gadra politika eto amintsika sy ny famerenana ny fifidianana. Saika fangatahan'ny CRN avokoa ireo. Voadaka hatreto ny fanirian'ny CRN izay tarihin'ny Profesora Zafy Albert. Mirona betsaka amin'ireo fitakiana ireo tokoa ny hetsiky ny CRN, ary nanambara izy ireo fa tsy handray anjara amin'io fivoriana io, raha toa ka tsy voavaha ireo (…)
  • Farimbon’i Madagasikara vaovao

    « Ataon-dRavalo "vitrine" ny antoko politika »

    lundi 15 décembre 2008 | Penjy R. |  1448 visites
    "Tsy ho eny Iavoloha izahay ato amin'ny Farimbon'i Madagasikara vaovao", hoy i Pierre Andrianantenaina. Ny antony, dia toa fisehoana ivelany no betsaka fa tsy ny tena ahasoa ny fanaovana politika eto. Mirotoroto ny mpitondra hanao ity sata ity, saingy izay ve no maika ? Ny maharototra ny olona izao araka ny hevitry ny "Farimbon'i Madagasikara vaovao", dia ny fijerena ny fahoriam-bahoaka sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Ny Etika politika no tokony himasoana fa tsy ny lalàna hifehy ny (…)
  • Pierre Houlder sy ny Arema

    Aza gadraina Ratsiraka

    vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R. |  1756 visites
    "Aleo haneho ny heviny Ratsiraka, satria manana zo feno izy amin'ny tsikera ataony izao fitondrana izao". Io no nambaran'ingahy Pierre Houlder, sekretera nasionalin'ny antoko AREMA, manoloana ny fihazakazaky ny tsikera ataon'i amiraly Ratsiraka miainga any Paris. Malagasy feno ity nitsoam-ponenana ity, ka mba avelao izy hody an-tanindrazana. Maro ireo Malagasy nitsoam-ponenana tahaka azy momba ny raharaha 2002. Misy tamin'izy ireo no maty fianakaviana teto, nefa tsy mba afaka nanatrika (…)
  • Fanalefahan-tsazy ho an’ny gadra

    Mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony

    vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R. |  1077 visites
    Miditra an-tsehatra amin'ny fangatahana famelan-tsazy ho an'ny gadra rehetra eto Madagasikara ny mpanao politika vitsivitsy. Tsy famotsoran-keloka faobe, fa famindram-po, toy ny fanaon'ny filoham-pirenena isaky ny faran'ny taona. Tsy dia hita firy intsony izy io tao ho ao, ka izay no nahatonga ny andiana tanora niroso amin'ity hetsika ity. Taona vitsy lasa izay, dia niroso nanantona ireny fikambanana miaro ny zon'ny voafonja ireny ireto mpikambana ao amin'ny antoko politika vitsivitsy (…)
  • Finoana sy politika

    Voahilika ny sekta

    jeudi 11 décembre 2008 | Penjy R. |  2494 visites
    Tsy olom-pirenena ve izahay fiangonana ivelan'ny FFKM ? Fanontaniana miendrika taraina no nataon'ireo fiangonana hafa ivelan'ny FFKM, raha nandre fa nantsoin'ny filoha Ravalomanana ireo fiangonana efatra lehibe eto amintsika ny talata lasa teo. Manana ny hevitra ahafahana mampandroso ny firenena izahay. Tsy ho latsa-danja amin'izay efa fanehoan-kevitra nataon'ny hery samy hafa ny anay raha eo amin'ny lafiny politika. Ny mampalahelo anefa dia toa heverin'ny sasany fa fiangonana "kely" (…)
  • Mani-te hody Ratsiraka

    jeudi 11 décembre 2008 | Penjy R. |  2294 visites
    Nisesisesy ny fanehoan-kevitra ataon'ny amiraly Ratsiraka ho an'ny vahoaka Malagasy. Fanehoan-kevitra amin'ny alàlan'ny sary «vidéo» sy antso an-tariby miainga avy Paris. Ny tsy fahombiazan'izao fitondran-dRavalomanana izao amin'ny lafiny rehetra no ventesiny amin'izany. Ny mbola fisian'ny delestazy manerana ny faritra maro eto amintsika toy ny any Antsiranana sy Fianarantsoa no nanakianany ity fitondrana ity indray. Efa nidina ny vidin'ny barilan'ny solika eo amin'ny tsena (…)
  • Izay manan-tsofina aoka ihaino

    mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R. |  787 visites
    Misy fotoanany ny zava-drehetra. Tonga ny fotoana afahana mihaino ireo tsy mitovy hevitra rehetra eto amin'ny firenena. Tsapa amin'ny antso avo ataon'ny filoham-pirenena momba ny handinihana haingana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Io tokoa angaha ny làlana ahafahana miroso any amin'ny fampandrosoana, satria raha tsy tafapetraka ny fitoniana politika, dia ho zava-poana avokoa ny ezaka rehetra izay ho atao. Raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, (…)
  • Mahantra ny tantsaha

    Miditra an-tsehatra ny mpanam-bola

    mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R. |  1207 visites
    Ny 80% eto Madagasikara dia hambara ho tantsaha. Ny 75% ny Malagasy ihany koa anefa, dia hambara fa miaina ao anatin'ny fahantrana. Midika izany fa mahantra ireo tena mivelona ao anatin'ny fambolena, dia ireo Malagasy tena miaina any ambanivolo rehetra any. Antony maro no fantatra fa mahatonga izany. Eo ny olana eo amin'ny fananan-tany. Sahirana ireo tantsaha vao tena mahazo tany afaka ho volena. Tsy ampy ihany koa ny fotodrafitr'asa afahan'ny tantsaha tena mivelona amin'ity fambolena ity. (…)
  • Satan’ny antoko politika

    Tsy manaiky ho gisitra ny AVI

    mardi 9 décembre 2008 | Penjy R. |  579 visites
    Vonona ny tolo-kevitra amin'ny sata hifehy ny antoko politika ho aroson'ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana). Efa ela no niandrasana izany ka handray anjara amin'ny ady hevitra kasain'ny fitondrana ho atao ity antoko tarihan'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ity. Hatramin'ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena dia tsy mbola nisy fitondrana nana-kevitra tena hametraka ny antoko mpanohitra amin'ny toerana hisy azy. Tsy nahita sehatra malalaka sy ara-pomba demokratika nahafahana (…)
  • Hery Rafalimanana

    Tsy lavo fa potraka

    lundi 8 décembre 2008 | Penjy R. |  2123 visites
    Herintaona izay no naharesy ahy teo amin'ny fifidianana, herintaona ihany koa nangalako fisainana lalina. Ampy izay ny fahanginako, ka hanehoako ny tena marina. Io no nambaran'ingahy Hery Rafalimanana tao amin'ny Aceem Radio ny faran'ny herinandro teo. Nilaza izy tamin'izany fa adinon'ny TIM tanteraka ny tenany taorian'iny fifidianana ho Ben'ny tanàna ny taona 2006 iny. Ampy hisainako ny nataon'ity antoko ity ahy. Teknisianina tao amin'ny Magro aho no nantsoina ho kandidà ho Ben'ny tanàna. (…)
  • Loholona Moxe Ramandimbilahitra

    Tsy mila fikaonandoham-pirenena

    vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R. |  924 visites
    Efa ela no niandrasana ny sata handrafitra ny antoko politika eto Madagasikara. Tonga ity ny fotoana, hiarahan'ny antoko rehetra midinika. Efa nisy ny volavola sata nataon'ny sehatra tsy miankina niaraka tamin'ny mpamatsy vola teny Maibahoaka Ivato sy tetsy amin'ny Hilton tamin'izany. Tsy hita fiafarana anefa ireny. Ankehitriny hantenaina fa mbola azo atao tsara ny miainga amin'ireo fehin-kevitra nivoaka tamin'izany, satria zava-dehibe ny tapaka nandritra ireo fivoriana roa ireo. Isan'ny (…)
  • Mihetsika ny mpanohitra

    vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R. |  1313 visites
    Rahampitso no hikaondoha etsy amin'ny foiben'ny AKFM Andravoahangy ambony ny mpanohitra rehetra. Manoloana ny firosoan'ny fanjakana hanao ilay fivoriana miaraka amin'ny antoko rehetra afaka andro vitsivitsy no anton'io. Antoko manodidina ny 20 no handray anjara amin'izany. Voalaza fa manana ny fijeriny momba ity fivoriana ity ny antoko ivelan'ny fanjakana sy ny fiarahamonimpirenena. Na ny CONECS, na ny SEFAFI, na ny FFKM na ny KMF/CNOE dia nana-kambara foana raha ny fiainana ara-politika sy (…)
  • Lalana hifehy ny antoko politika

    Be ny miandry fampiavanam-pirenena

    lundi 1er décembre 2008 | Penjy R. |  1357 visites
    Lalana hifehy ny antoko politika Be ny miandry fampiavanam-pirenena Tonga ilay nandrasana. Hiroso amin'ny sata hifehy ny antoko politika isika eto Madagasikara. Ny fanjakana no hitarika izany, ary handray anjara avokoa ireo hambara fa antoko politika mahatratra 187 eto Madagasikara. Tsy hisy ho tapenam-bava na dia iray aza; ny hevitra no ataovy mafonja, fa izay no lalana afahana mametraka izay tian-kajoro. Ny mitovy firehana dia efa afaka manambatra ny hery, ary ireo izay mihevitra fa (…)
  • Fizarana loka teny Iavoloha

    Maika ny fanampiana ny tantsaha

    samedi 29 novembre 2008 | Penjy R. |  607 visites
    Vita omaly teny Iavoloha ny fifaninana kaomina mendrika sy ny fifaninanana voly vary. Teny Iavoloha no nanaovana ireo lanonana roa sosona ireo, ary ny filoha Ravalomanana no nitarika izany. Mamokatra ny tantsaha hoy ny filoha rehefa omena fitaovana, ary mipetraka tsara ny fanentanana atao amin'izy ireo. Tokony hipetraka ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry miainga eny amin'ny faritra tsirairay. Ho porofointsika aty amin'ny faritry ny SADC sy COMESA ary ny (…)
  • Fikambananan’ny TAXI eto andrenivohitra

    Mitaky ny hampidinana ny solika

    vendredi 28 novembre 2008 | Penjy R. |  652 visites
    Efa tafidina hatrany amin'ny 50 doalara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, mbola tsy hita veroka ny fidinan'io eto Madagasikara. Miankina amin'io vidin-tsolika io anefa ny tsena anatiny eo amin'ny mpamily fiara karetsaka. Hivondrona izy ireo ato ho ato, ka hitaky ny hampidinana ny vidin'ny solika hifanahatsahana amin'ny vidiny eo amin'ny tsena any ivelany. Zara raha misy mandeha taxi ny olona ankehitriny. Ny antony, dia tsy takatry ny mpanjifa ny sarany alain'ny mpamily. (…)
  • Fanovana Organigraman’ny kaominina

    Fahefan’ny Ben’ny tanàna izany hoy Guy Rivo Randrianarisoa

    mercredi 26 novembre 2008 | Penjy R. |  1145 visites
    Izay ahasoa ny tanàna no tanjona. Izay no hitan'ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina fa mety eto andrenivohitra, dia zony tanteraka izany. Vao tsy ela hoy ny tale Jeneralin'ny Fitsinjarampahefana, Guy Rivo Randrianarisoa, no nivoahan'ny lalàna manome fahefana ny Ben'ny tanàna hanala ny lefiny, na ireo mpiara-miasa aminy hita fa tsy mahomby. Tsapan'ny Ben'ny tanàna eto andrenivohitra io, ka noraisiny ny fahefana rehetra. Mitovy ny Ben'ny tanàna rehetra aminy, ka tsy manana olana amin'ny eto (…)
  • Feno fako Andralanitra

    Maloto ny renivohitra

    mercredi 26 novembre 2008 | Penjy R. |  848 visites
    Tsy misy olana tsy voavaha. Anio dia efa hijery izay fomba rehetra hanalana ny fako eto andrenivohitra ny eo anivon'ny kaominina eto andrenivohitra. Misy ny olana sedraina hoy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina, dia ny hafenoan'ny fako eny Andralanitra. Na ny fiara vaventy tokony hiditra eny aza tsy afaka manao izany intsony rehefa hitatitra fako. Misy ny fijerena ny vaha-olana hainga hiarahana amin'ny manam-pahaizana vahiny, hisorohana ny fitobian'ny fako be loatra. Tsy misy olana tsy azo (…)
  • Mompera Remi Ralibera

    Nanefa ny adidiny ny fanjakana

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  1161 visites
    Tonga niondrika teo anoloan'ny vatana mangatsiakan'i mompera Remi Ralibera ny asabotsy teo ny fitondram-panjakana. Ny Praiministra Charles Rabemananjara no nitarika azy ireo, izay samy nanamafy fa nanana ny anjara andraikitra lehibe noraisiny teto amin'ny firenena ity pretra ity. Azo ambara fa very olo-manga ny firenena. Teny niverimberina tamin'ireo olona nitsapa alahelo teny amin'ny toerana nisy ny vatana mangatsiakany izany. Ny asa fanaovan-gazety no tena nahafantarana azy, ary mahitsy (…)
  • Kaominina mendrika

    Lasan’i Toliary ny voalohany

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  793 visites
    Ny alarobia ho avy izao no hivoaka ny valin'ny fifaninanana kaominina mendrika. Tao anatin'ny volana vitsy no nanaovana ity fifaninanana ity, ary tsapa fa na dia tsy dia nazava tamin'ny ankamaroan'ny ben'ny tanàna aza ny fepetra napetraka, dia niroso tamin'ny fifaninanana ihany izy ireo. Fantatra fa ny kaominina ao Toliary voalohany no hibata ny amboara voalohany. Lelavola goavana io, ary ny kaominina ao Analavory ny faharoa. Ny fahaiza-mitantanana sy ny fomba fiasa nataon'izy ireo tamin'ity (…)
  • Loholona Rabetsitonta

    Hanaovy trano ny mpiasam-panjakana

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  840 visites
    Isan'ny olana lehibe ho an'ny mpiasa malagasy ny trano fonenana. Fangatahana ny hampidirana ao anatin'ny tetibolam-panjakana manaraka ny hanaovana trano ho an'ny mpiasam-panjakana. Io no fangatahana nataon'ny loholona Tovonanahary Rabetsitonta ny zoma teo tetsy Anosikely. Tsy zakan'ny mpiasam-panjakana intsony ny hofan-trano izay midangana andro aman'lina. Hiarahana mahita anefa ny fijaliana eo amin'ny ho enti-manana izany. Maro ny mihevitra fa ilana ny hametrahana ilay politikan'ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}