::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 14h35  :  27°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Tsakotsako

« Zamerika »

lundi 10 novembre 2008, par RAW

Mbola i Barack Obama foana ny resaka. Izay vao tena hiova tokoa ve ny fitondrana amerikana hoy ny maro ? Efa ela mantsy i Etazonia no tsy « nampirevy » intsony. Efa ela izany hoe « Zamerika » izany ; izany « Appolo » sy izany olombelona voalohany nanitsaka ny volana izany. Fahiny tokoa izany. Fa ankehitriny toa tahotra no ao an-tsaina raha vao mieritreritra izany Etazonia izany. Tao aorian’ny « Ku Klux Klan »dia ny « terrorisme » izao no mampatahotra. Ny fomba dia mitovy ihany : mamono olona amin’ny fomba isan-karazany. Maty noho ny tolona notarihiny mba hisian’ny fitovian’ny samy amerikana i Martin Luher King. Sahin’ny Amerikana mihitsy ny namono filoham-pirenena mba hifehezana tanteraka ny pôlitikany tsy hiova. Maty ny filoha John Kennedy sy ny rahalahiny. Ny tena fototry ny vono olona moa dia tsy mety mazava hatramin’izao ; eny na ny ati-doha nikotrika aza. Ahiahy no misy ankehitriny. Niova tokoa ve ny Amerikana ? Taona maro tany aloha tany tokoa dia « nampirevy » ny miresaka izany « Zamerika » izany ; izany « dôlara » izany.

Azo inoana ve fa amin’izao Barack Obama filoham-pirenena amerikana izao dia hiova ny fijery hoe mpisetrasetra ny Amerikana ? hoe mpanafika an’izao tontolo izao ny miaramila amerikana ? hoe mpanakorontana an’iny Afovoany Atsinanana iny ny Amerikana ? Hiverina « hirevy » Amerikana amin’izay indray ve ny afrikana sy ny erôpeana. Izany « revy » izany mantsy tsy miankina amin’ny fanampiana sy ny tolotolotra avy amin’ny Banky isan-karazany na fikambanana etsy sy eroa fa miankina amin’ny hoe resy lahatra fotsiny izao ny olona noho ny zava-miseho, henony sy hitany maromaro.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

octobre 2008   novembre 2008   décembre 2008
L Ma Me J V S D
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 383  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360