::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
samedi 4 juillet 2009
 

 > Malagasy

Rivo-doza teto Iarivo

Voa indray ny faritra iva

mardi 19 février 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

Dibo-drano tanteraka ny faritra iva eto an-drenivohitra. Iray andro monja taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza « Ivan » tany Avaratra-Andrefan’ny renivohitra dia mitondra takaitra toy ny any amin’ny faritra hafa ny mponina eny ambany tanàna. Tsy vao izao no niaram-pahavoazana tahaka izao ny faritra toy itony, fa saika mandavan-taona. Isan’ny faritra be mponina itony toerana itony, ary tsy vitsy noho izany ny manome fampanantenana ny hanarenana ny toerana ambany, rehefa tonga ny fotoana fampielezan-kevitra. Ny hita anefa dia zary adino hatrany izy ireo rehefa vita ny latsa-bato, ary porofo iarahana mahita ny fahavoazana mianjady amin’izy ireo izao.

Ny ranon’orana sy ny diky amin’ny lavam-piringy no mifangaro, ary sahirana ireo manana lava-drano ampiasaina ho rano fisotro. Ahiana ny mety hiparitahan’ny valan’aretina noho izany, ka izay no ilàna famonjena haingana ho an’ny mponina amin’ny toerana toa itony. Ny mampalahelo dia miandry fahavoazana tahaka izao hatrany, fa toa tsy misy fisorohana hafa atao mihitsy. Vitantsika ny nametraka trano lehibe ho fitahirizana vokatra any amin’ny faritany, koa nahoana raha asiana tetik’asa maty paika hipetraka ety amin’ny faritra iva, mba hisoroana ny fahavoazana toy izao ? Am-bava homana am-po mierotra.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com

Damily en concert à Chalais
Fleur d'école
janvier 2008   février 2008   mars 2008
L Ma Me J V S D
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29    
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 367  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360