::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 23h13  :  21°C  :  Nuageux
lundi 13 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Valalan’amboa

mardi 7 octobre 2008, par Naivo kely

Nitotorebika ny maro nandritra ny fetin’ny Oktoberfest, ny sabotsy teo tetsy Mahamasina. Fety izay nilaharan’ny vahoaka Malagasy tokoa, ka ny fifaliana miaraka amin’ny labiera sy ny tsakitsaky isan-karazany no tena nisongadina. Teo ihany koa ny mpanakanto maro samy hafa izay nanafana ny fotoana.

Kolontsaina vahiny izy ity, nefa hita fa mahazo laka tokoa eto Madagasikara, raha iny andiany faha-dimy iny no asian-teny. Fa mby aiza kosa ny fanajantsika ny kolontsaina Malagasy ? Nandritra ny iray volan’ny teny malagasy aza, zara raha nisy olona niara-nankalaza izany. Ny hafa moa dia toy ny tsy misy ny fieritreretany azy. Sodokan’ny kolontsaina vahiny isika ka lasa valalan’amboa ny an’ny tena. Ny eto ampovoan-tany no tena tsy taitra amin’iny. Misy koa anefa ny faritra hafa, izay tsy mitsahatra manandratra ny fomba amam-panao any aminy. Isan’io ny resaka volambetohaka izay hisongadinan’ireo fomba betsileo. Ao Ambositra no tena ahitana izany ? Ny Donia izay atao any Anosibe isan-taona. Arakaraky ny fahaizan’ny mpanentana mihetsika ihany koa no mampisongadina itony kolontsaina itony, izay antenaina ny hisian’ny fiaraha-mientan’ny malagasy rehetra amin’ny sehatra toy ny tamin’ny Oktoberfest farany teo.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

septembre 2008   octobre 2008   novembre 2008
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 270  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360