Nitotorebika ny maro nandritra ny fetin’ny Oktoberfest, ny sabotsy teo tetsy Mahamasina. Fety izay nilaharan’ny vahoaka Malagasy tokoa, ka ny fifaliana miaraka amin’ny labiera sy ny tsakitsaky isan-karazany no tena nisongadina. Teo ihany koa ny mpanakanto maro samy hafa izay nanafana ny fotoana.
Kolontsaina vahiny izy ity, nefa hita fa mahazo laka tokoa eto Madagasikara, raha iny andiany faha-dimy iny no asian-teny. Fa mby aiza kosa ny fanajantsika ny kolontsaina Malagasy ? Nandritra ny iray volan’ny teny malagasy aza, zara raha nisy olona niara-nankalaza izany. Ny hafa moa dia toy ny tsy misy ny fieritreretany azy. Sodokan’ny kolontsaina vahiny isika ka lasa valalan’amboa ny an’ny tena. Ny eto ampovoan-tany no tena tsy taitra amin’iny. Misy koa anefa ny faritra hafa, izay tsy mitsahatra manandratra ny fomba amam-panao any aminy. Isan’io ny resaka volambetohaka izay hisongadinan’ireo fomba betsileo. Ao Ambositra no tena ahitana izany ? Ny Donia izay atao any Anosibe isan-taona. Arakaraky ny fahaizan’ny mpanentana mihetsika ihany koa no mampisongadina itony kolontsaina itony, izay antenaina ny hisian’ny fiaraha-mientan’ny malagasy rehetra amin’ny sehatra toy ny tamin’ny Oktoberfest farany teo.