Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h01
 

Teny zato, kabary arivo

Vahoaka no tompon’ny teny farany

samedi 22 septembre 2007 |  243 visites  | Naivo kely

Vita iny ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida isan’isany, izay handrobaka ny toerana 127 etsy Tsimbazaza amin’ny alahady ho avy izao. Samy nanao izay ho afany avokoa ny kandida sy ny mpanohana azy rehetra, ka tao no nivarom-pananana, nentina nanatanterahana ny Propagandy, nanaovana afisy sy ny bileta, ary tsy vitsy kosa ny niantohan’ny antoko nisy azy ny fanatontosana ireo rehetra ireo. Be ny vola lany amin’ny sehatra tahaka izao, kanefa tsy midika io, fa ho voavidim-bola ny olona, na ho matikanin-kely tahaka ny trondro, ka ny kankana no hidirana am-bilany, fa manana ny safidy ny tsirairay, koa aoka tsy tapaka làlan-dra raha sanatria ny olona tsy nampiasa vola no hiantefan’ny safidin’ny be sy ny maro. Ny vahoaka no tompon’ny teny farany, ary mahaiza mionona raha sanatria tsy mamim-bahoaka, fa ny fifidianana hitranga eto mbola ho maro, dia any indray manarina e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS