Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 14h36
 

Malagasy

Moxe Ramandimbilahitra

Tsy sahy nilatsaka loholona

mercredi 2 avril 2008 |  505 visites  | Naivo kely

« Ny fokonolona no antoky ny fampandrosoana, ary tsinjarao araky ny tokony ho izy ny arena ». Loha-hevitra havoitran’ny TEZA amin’ny kongresiny faharoa amin’ny zoma sy sabotsy izao io. Toa tsy misy ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka, ary hita fa tsy migoka ny hatsembohan’ny tavany intsony ny vahoaka, hoy i Moxe Ramandimbilahitra.

« Tsy hilatsaka ho ao amin’ny toeran’ny antenimieran-doholona izahay, satria ny olon’ny TIM avokoa no lany hifidy izay hipetraka eo. Tsy hisolelaka izahay fa hanitsy, ary aoka tsy handrasana hiteny foana ny mpanohitra vao ahatsapa ny lesoky ny mpitondra fanjakana. Mila mandray andraikitra isika fa tsy miandry baiko lava », hoy ihany i Moxe Ramandimbilahatra. Raha ny hita anefa dia maro no miandry baiko vao mamaly ny filan’ny vahoaka, nefa mbola asa mivilana no ataony.

Fantatra fa olona 100 no antsoin’ny TEZA hanatrika ny kongresiny, ary tsy hanasa mpanao politika izy ireo, satria fiainan-tokatranony no ho dinihana.
Ho avy ao ireo ben’ny tanàna lany tany amin’ny faritra 14, ary ireo lany nefa navadika ny vatony dia tsy ho diso anjara amin’ny fivoriana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives