Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 11h45
 

Malagasy

Hen’omby

Tsy sahy mihinana ny olona

mardi 1er avril 2008 |  651 visites  | Naivo kely

Voafehy ny fijerena ifotony ny aretin’omby. Fanambaran’ny minisitera ny faran’ny herinandro teo io. Nisy araky izany ny toro-marika isan-karazany izay natao hiarovana ny omby Malagasy.

Heno ihany koa fa hanondrana ity hena ity any ivelany isika.

Ny tsapa anefa, dia manomboka mandositra ny fihinanan-kena ny maro. Raha nanao fanadihadiana tamin’ireo mpivaron-kena izahay, dia saika any amin’ny hena kisoa no hifandrombahana. Ny vidin’ireo hena omby sy kisoa rahateo tsy dia mifanalavitra, satria Ar 200 no elanelany raha hividy fahefany. Ny hotely dia saika mirona any amin’ny trondro sy akoho ny laoka masaka ao aminy. Ny fanazavana heno, dia tsy misy mety mihinana hena omby ny mpisakafo antoandro. Raha izao no mitohy, ahoana ny fijerin’ny vahiny izay hanafatra ny hena manta eto amintsika ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024