Manomboka ny fialan-tsasatra. Samy mandeha amin’izay maha-mety ny fiainany avokoa ny tsirairay. Maro no mandeha any amin’ny faritany, ary tsy vitsy no miakatra eto andrenivohitra. Tsy vitsy ihany koa ireo mandeha any ampita.
Ny tsy afa-miala amin’ny fivelomanana isan’andro kosa dia tsy maintsy mitady ny harapaka anio. Ilain’ny vatan’olombelona anefa ny fialan-tsasatra, ary tokony hanao izany ny rehetra, saingy tsy mankaiza fa mitaiza hoy ny fomba fiteny izay rehefa tsy ampy ny ho enti-manana.
Mbola kanto i Madagasikara hoy isika rehefa sendra mba mivoaka kely ity renivohitra. Ny herana voajanahary tsy lazaina intsony, saingy ny fahaizan-tsika mitrandraka ireny no tsy ampy. Firy ireo trano fandraisam-bahiny eto Madagasikara izay saika vahiny avokoa no mitantanana azy ireny. Ny toy izany ve dia tsy ho vitantsika ? Toa zatra mistiriritra sy misento ampitoerana mazana no ataon’ny Gasy. Ny saina tia karokaroka sy ny finiavana toa vitsy. Maka saina tsara amin’ny fakan-drivotra, ary mahaiza mitrandraka mba tsy ny vahiny foana no hanjaka eto. Vitan’ny hafa ve tsy ho vitan’ny tena.