Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h26
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy manaiky resy

lundi 22 octobre 2007 |  656 visites  | Naivo kely

Hentitra ny fiombonamben’ny mpanohitra omaly nanamafy ireo fitakiany hatramin’izay, dia ny fanovana ny lalàm-pifidianana, sy ny fanaovana ny bileta tokana ary ny fametrahana ny fifidianana ho tantanin’ny tsy miankina. Raha mbola mizirizy amin’ny heviny anefa ny mpitondra eto amintsika dia tsy handray anjara amin’ny fifidianana izay hatao amin’ny 12 desambra izao ity fiombonamben’ny mpanohitra ity. Misy arak’io ny fe-potoana omeny ny fitondrana ankehitriny hamaliany izao fitakiana izao hatramin’ny faran’ny volana oktobra izao. Ny teti-dratsin’ny mpitondra ankehitriny no nampiray feo anay hoy ry zareo tetsy amin’ny Hilton omaly, ary aoka tena hajaina ny safidim-bahoaka mba hanjakan’ny demokrasia. Hatreto izany dia tsy manaiky resy ny mpanohitra ary vonona ny tsy hilefitra hatramin’ny farany. Raha manao be marenina amin’izao fangatahana izao anefa ny fanjakana dia inona no ho ataon’ireto mpanohitra ireto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS