Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Malagasy

Fanabeazana

Tsy avela ho metisy fiteny ny zaza Malagasy

mardi 29 juillet 2008 |  703 visites  | Naivo kely

« Handray ny andraikitra tandrify anay izahay TEZA », hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra. Tojo ny tanjona nirianay izahay ny momba ny hampidirana ny teny Malagasy ho teny ho enti-mampianatra. Midika izany, fa hifanome tanana amain’ny fanjakana, mba hampanjary ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny antoko misy anay.

Hampivoitra ny fanahy maha-olona, ary hamerina ny hasin’ny Malagasy io fiovan’ny politikan’ny fampianarana io. Tsy tokony hipetraka ny ahiahy amin’ny fidirana amin’ny teny Malagasy, satria miadana ny fampiharana azy. Ireo zaza vao miditra mianatra amin’ity taona ity any amin’ny kilasy T1 no manomboka azy. Ny efa ao amin’ny kilasy T2 kosa dia tsy mitovy amin’iretsy vao miditra ny teny enti-mampianatra. Izany hoe mianatra teny Frantsay.

Ny teny hibeazana, hoy ny loholona Moxe Ramandimbilahitra, dia ahatsapana ny fandrosoan’ny firenena iray. Nomeny ohatra tamin’io ny tany Mali. Nampiasa ny tenin-dreny izy, ka ny 11% sisa ny ankizy namerin-taona. Raha niverina tamin’ny teny Frantsay anefa io firenena io, dia ny 40% ny mpianatra no namerin-taona. Ilaina ny fanomezana fitaovana ampy ny mpampianatra sy ny sekoly hianaran’ny ankizy. Tsapa fa efa miroso amin’izany ny fanjakana. Matoky ny TEZA fa ho tafavoaka ny zaza Malagasy amin’ity politika vaovao ity, ary aoka tsy avela ho metisy fiteny lava izao ny zaza Malagasy, fa omeo ny tena tenin-drazany izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS