Dia faly indray ny mpanara-maso vahiny, fa vita tsy nisy korontana ny fifidianana izay natao ny alahady lasa teo, ary isan’ny nahafaly ny teo anivon’ny fanjakana izany satria hanakoako any ivelany ny filazana fa tokony ho atao modely aty Afrika i Madagasikara. Toa nizotra tsy nisy olana tokoa ny latsa-bato ho an’ireo mpanara-maso vahiny, tamin’ny toerana izay nolalovany, satria tsy nahita ady na fifamonoana niteraka fahafatesan’olona izy ireo, fa vahoaka nandeha nandatsa-bato tao anatin’ny filaminana no hitany. Moa ve mba tsapan’izy ireo ireny tarehin-javatra niseho toy ny fividianana olona amin’ny birao fandatsaham-bato tany amin’ny distrika hafa ireny ? Ny fistimbadiky ny voka-bato sy ny fanerena ny mpiasam-panjakana handatsa-bato ho an’ny kandidam-panjakana mba fantatry ireo vahiny ve izany ? Fifidianana ara-dalàna sy mangaraharaha ve ny fanambazana vola ny delegen’ny kandida hafa ka mamadika ny namany tampoka rehefa voajonon’ny vola ? Ara-dalàna ny fahitan’ny vahiny iny, ka hoy ny mpitazana hoe : « tsara fa misaotra », kanefa asakasaky izay olona tsy lanim-bahoaka, nefa mihambo hitondra ny feony eny anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Tsara fa misaotra
jeudi 27 septembre 2007 | 400 visites |