Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 05h37
 

Malagasy

Asa fanaovan-gazety

Tery malalaka

lundi 5 mai 2008 | Naivo kely

Nankalaza ny andro eran-tany ho amin’ny fahalalahana manao gazety isika teto Madagasikara ny 3 Mey lasa teo. Ny mpanao gazety zokiolona no nikarakara ny hetsika rehetra tetsy amin’ny Cite Ambatonakanga.

Nandritra ny fihaonambe tao no nanehoan’ny rehetra ny endriky ny fahalalahana na teritery misy eto. Malalaka satria saika miroborobo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, ary porofon’izany ny fahitana ireo radio sy gazety maro be eto amintsika. Tery ihany anefa, satria misy hatrany ny endrika fampitandremana ireny haino aman-jery ireny eo amin’ny fanehoany hevitra. Sivana ankolaka no niantsoan’ny maro izany. Raha mitaha ny any ivelany anefa ny eto, dia azo tarafina fa afaka mitrandraka vaovao ampilaminana ny eto. Tsy fahita firy toy ny any ivelany ny mpanao gazety gadraina noho ny fanaovany ny asany izany. Ny famonoana mpanao gazety ihany koa dia tsy fahita firy raha mitaha amin’ny firenena any ivelany. Tery malalaka, hoy ny hafa, izy ity ary ny antenaina dia ny hivoahan’ny sata manokana eo amin’izany asa masina izany. Voatsiahy tao ihany koa ny momba fifidianana izay birao vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Inona no antony mbola tsy ahafantarana ny daty marina hanaovana izany ? Miandry aloha hatreto, fa maro tamin’ireo nilaza ny hirotsaka no efa nanadino izany, ary ny tsy vonona teo aloha toa marisika ankehitriny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS