Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h55
 

Teny zato, kabary arivo

Tafakatra ny avo

vendredi 26 octobre 2007 |  647 visites  | Naivo kely

Raha mbola variana amin’ny zava-misy politika toy ny eny Tsimbazaza sy ny mety ho fiovan’ny Governemanta ny sain’ny mpanara-baovao rehetra, dia misoko mangina kosa ny vidin’ny vary eny an-tsena rehetra eny. Tafakatra hatrany amin’ny 20% izy io, ary tsy takona afenina koa ny zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan’andro(PPN).

Ny vidin-jiro dia hiakatra hatrany amin’ny 15% amin’ny faktioran’ny Jirama, izay mihatra avy hatrany amin’ity volana ity, izay hisy fiantraikany amin’ny ati-paosin’ny isan-tokatrano. Raha ny tena izy aza ity sondrobidin’ny Jirama ity dia mahatratra 50% raha mitaha amin’ireo firenena manodidina antsika. Ny barila ny solika eran-tany tafakatra hatrany amin’ny 87 dolara, ary tsy maintsy mbola hisy fiantraikany eto Madagasikara izany. Ny rivo-doza izay voalaza fa handalo eto amintsika toy ny isan-taona dia ho maro ihany, ka azo antoka fa mbola hiakatra na dia ny vidim-bary fotsiny aza raha mitaha amin’ny vidiny ankehitriny. Tafakatra ny avo ny vidim-pianana, ka ilaina ny misoroka ny mety ho fahavoazana be loatra dien’izao, ka eo no hilana ny fahaizan’ireto mpitondra mitondra irery ny baolina ireto, mba tsy ho sanatria hifanome tsiny lava eto isika mianakavy, ka rehefa voa dia mila vahoaka, fa rehefa hiravaka ny vangy mifikitra irery.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS