Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 02h33
 

Teny zato, kabary arivo

Solika mandoro

samedi 15 mars 2008 | Naivo kely

Manankarena ny firenena, roso ny fitrandrahana. Faly sahirana ny maro raha nandre fa manomboka mioty ny vokatry ny fitrandrahana ny solika ao Tsimiroro isika. 46 barila isan’andro no vokatra azo amin’izao fanombohana izao, ary andrasana hananika ny 100 barila isan’andro atsy ho atsy.

Sahiran-tsaina ihany anefa ny maro raha mahita ny zava-doza mitranga any amin’ireo firenena mpamokatra azy ity. Hita io toy ny atsy Iran sy Iraka izay nifamono nandritra ny taona maro, ary mbola mizaka ny vokatry ny ady hatramin’izao. Nidiran’ny Amerikana indray ny tatsy Iraka, ary mandriaka ny rà saika isan’andro vaky. Na ho toy inona ny endriky ny fanambarana fa mampandry tany ny firenena matanjaka, dia tsy azo lavina ny fisian’io solika any an-toerana io. Ny atsy Koweit, dia niarahana nahita ny fibodoana nataon’ny firenena mpifanolo-vodirindrina taminy, ary nisian’ny fifandonana mahery vaika ihany koa tao amin’io tany io. Ny atsy Nigeria, dia mikorontana lava. Fifandonana matetim-pihavy. Miditra amin’ny raharahan-tokatranony ny firenena vahiny. Mbola heverin’ny maro fa ny solika ao aminy no fositra izao rehetra izao. Dia ahoana ny eto amintsika ? Isika omem-pahasoavana indray ve no handa izany ?

Iarahana mahatsiaro fa maro ny mpanao politika no nilaza ny heviny momba ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany toy ny solika ity. Tsy handamina io, hoy ny hafa fa hifamonoana. Hifandrirotra am-pitoerana eto isika.

Maneho hevitra ny mpanao politika isan-karazany, vao nipoitra ny resaka solika ao Tsimiroro. Fifandrifian-javatra no ilazana izany, satria isika malagasy dia malaza ho mpandala ny fihavanana. Ny andrasan’ny rehetra dia mba tsy ho tompony mangataka ny atiny lava izao ny vahoaka malagasy, fa mba ahazo tombony, fa tsy ny vahiny no ahazo sehatra lava izao. Tsy ho solika handoro ny firenena, fa hanome aina vao ny toe-karena malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS