Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h02
 

Teny zato, kabary arivo

Semban-drahona !

mardi 8 mai 2007 |  162 visites  | Naivo kely

Lany tamin’ny 53% ny vato manan-kery ho filoha frantsay mandritra ny 5 taona, Atoa Nicolas Sarkozy izay kandidan’ny antoko ankavanana UMP. Vao nivoaka ny isam-bato voalohany tamin’ny 8 ora alina (ora any Frantsa) dia tsy niandry ela akory Rtoa Ségolène Royal, kandidan’ny antoko sosialista, hery ankavia, niarahaba ny vahoaka frantsay sy ny mpifaninana taminy. Midika tsotra izany fa nanaiky ny voka-pifidianana avy hatrany ny tenany. Nanjaka ny demokrasia.

Seho efa mety mahazatra izany any ampitan-dranomasina, fa seho tsara hisintonana lesona raha aty amin’ny tany maromaro demokratika indrindra aty Afrika.

Tsy nahenoana fanakianana na iray aza avy amin’ny mpanao politika nanohana an-dRamatoa Ségolène Royal fa tsy nitombona ny vokatra natolotry ny minisiteran’ny ati-tany frantsay satria minisitra tao Nicolas Sarkozy.

Raha ambany lanitra hafa no nisehoan’izany, asa, mety ho azo noheritreretina ve ny fanakianana ?

Mendrika sy mahaliana ary ny fampiharan’ny mpanao politika ny atao hoe demokrasia tao Frantsa. Ny ho avy no nobanjinina avy hatrany na ny avy amin’ny andaniny na ny ankilany.

Nefa, semban-drahona izany fahaizan’ny mpanao politika frantsay miaina ao anaty demokrasia izany noho ny nataon’ireo tanora an-jatony tany amin’ny faritra vitsivitsy tao Frantsa. Fanimban-javatra, fandratrana niniana natao, tora-bato, savorovoro no nanehoan’izy ireo ny tsy fifaliany tamin’ny vokatry ny latsa-bato. Tsy nahatanty demokrasia.

Tsy nahafoana fanendrikendrehana koa anefa izany tamin’ireo mpanao politika frantsay, hoe misy ambadika politika. Lesona azo tsoahina : hafa tokoa ny mpanao politika any an-dafin’ny riaka any. Hevitra no miady, eny na semban-drahona aza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS