::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
lundi 6 juillet 2009
 

 > Teny zato, kabary arivo

Sasanangy roa samy hafa

mercredi 2 juillet 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

Hifantohan’ny mpanara-baovao indray ny atsy Ejipta. Fihaonan’ireo filoham-pirenena sy manam-pahefana maro aty Afrika, ka isan’ny mandray anjara amin’izany ny filoha Ravalomanana.

Ny tena hifantohan’ny fivoriana, dia ny momba ny raharaha atsy Zimbabwe, momba ny olan’ny mpitondra sy ny mpanohitra ao antoerana. Tsy vitsy no nanambara fa mba hisoroana ny ady antrano, dia tokony hisy ny fizarana fahefana toy ny natao tamin’ireo firenena vitsy aty Afrika volana vitsy lasa izay. Firenena nahitana ady antrano, ary maro ireo namoy ny ainy, sy rava fananana. Hanaiky izany ve anefa ireo mpitondra nahazo toerana ?

Hifantoka eto amintsika ny lahatsoratra, satria tsy takona afenina, fa maro no mbola mikotrika zavatra hafa any ambadika any. Tsy ho gaga isika, raha omen’ny olona toerana ratsy ny tontolo Politika eto Madagasikara. Sasanangy roa samy hafa tokoa ny eto sy ny any amin’ireo firenena ireo, raha resaka fizarana fahefana no asian-dresaka. Saingy ny tsy tokony ho adinoina dia ny fifampiresahana tokony ho atao. Izay tsy mahay fatam-bary hono mahay sobika. Ny fandraisana andraikitra no tena zava-dehibe, fa tsy ny toerana. Io no antoka hisoroana ny ady antrano sy ny korontana lava izao. Soa aloha fa hendry isika Mlagasy, saingy ny firasian-tsaina no antoky ny fampandrosoana.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 581  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360