Potika tanteraka ny haja amam-bonihatry ny mpanao politika nandritra ity fitondran’ny filoha Ravalomanana ity, satria tanterany avokoa ny zava-drehetra nampanantenainy tamin’ny fotoan’androny, raha vao hiakatra ny fitondrany izy. Inona ireo ? Tsy nankasitrahany firy ny mpanao politika, ary iza no tsy nahatsiaro ilay hafatra fony vao nandray ny fahefana izy, fa tsy manana fifanaraha manokana amin’ny mpanao politika ny tenany ? Mbola niampy ilay teny tsy hay kosehina ao an-tsain’ny maro manao hoe « aza ampidirina an-trano ny mpanao politika ». Tany Antsirabe no nandrenesan’ny Malagasy tsy vaky volo io. Kila hotohoto ny foto-kevitra nijoroan’ny antoko politika hatramin’izay, olona mpandrahara, noheverina fa tsy mahay politika, no indro fa mamehy tanteraka ity sehatra ity. Voafehy hoy izahay ny mpanao politika, satria iza intsony ny manana sehatra mba hanehoana hevitra eo amin’ny fiainam-pirenena ? Tsy misy dikany intsony ireo teo aloha ary zary kilasiana toy ny tsy misy ireo ray aman-dreny be teto amin’ny firenena. Tsy hanononana anaran’olona eto fa isika mianakavy no samy mandinika. Potika ny fototra saingy tsy hay hadinoana ny tantara ara-politika nodiavin’ireo zoky ray aman-dreny, ka tsy ny fitondrana 5 taona no hanamaloka ny taona maro tany aloha. Ny mampanahy dia sao maty vao « Ramalala » ka hanondron’ny hafa molotra antsika.
Potika ny fototra
mercredi 17 octobre 2007 | 1191 visites |