::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
lundi 6 juillet 2009
 

 > Teny zato, kabary arivo

Poizina hita maso

samedi 5 juillet 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

Lasa resaka any ivelany ny sakafo eto amintsika. Isan’ny nambaran’ny filoha Ravalomanana io raha vao tonga avy tany ivelany izy ny alakamisy alina teo. Isan’io ny trondro sy ny anandrano eto an-drenivohitra.

Ny fanenjehana ny mpanjono etsy amin’ny ranon’i Masay sy Anosy ary ny lakandranon’Andriantany no tena nalaza, saingy mbola misy hafa ihany koa. Isan’izany ny anandrano etsy Ambodivona sy Andravohangy. Hita ho tena rano maloto avy any amin’ny lavam-piringin’olona isa-tokantrano no mifangaro amin’ny rano hiveloman’ity anana.

Inona no fepetra tokony ho raisina manoloana izany, satria isan’ny fampihinana maloto ny mponina koa ny toy izao ? Poizina hita maso io, nefa dia mbola maro no mividy sy mihinana izany. Miainga any amin’ny isam-pokontany io fandraisana fepetra hentitra io, fa tsy ho tandravaina aty ambony lava izao. Isika isan-tanàna no mahita izany. Ny fitiavan-kely toy izao no maharatsy endrika ny firenena, koa tsy ho gaga isika raha any amin’ireny toerana lehibe ireny no hifanotofan’ny olona miantsena, satria any no azo antoka.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 532  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360