Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 11 mai 2024
Antananarivo | 14h39
 

Teny zato, kabary arivo

Nivadika ny rasa

mercredi 3 septembre 2008 |  1042 visites  | Naivo kely

Vitsy tamin’ireo mpitarika tolona nandritra ny raharaha 2002 no tsy tafiditra am-ponja amin’izao taona 208 izao. Maro izy ireo, ka tao no nandeha nampandry tany, ary tao kosa ireo nanentana olona isaky ny ministera, ary nilahatra tetsy amin’ny kianjan’ny 13 MAI.

Samy manana ny antony hitazomana azy am-ponja avokoa izy ireo, ary misy mbola hanohy ny figadrany hatramin’ny 2015. Ny resaka fikomiana amin’ity fitondrana nampetrany ity no hakamaroan’ireo voasazy. Asa na ny fomba fijery no samy hafa, na ny fizarana andraikitra no tsy nahafaly ny hafa ka nahatonga izao fidirana am-ponja izao. Niainga tamin’ny mpanao politika, ny zana-dambo, sy manamboninahitra, ministra nitana andraikitra ary nomena sehatra hafa avy ary niditra am-ponja no niafarany. Ny manamboninahitra sy ny depiote, ary mpitarika politika sy ny vadiny, dia saika nifandimby nandalo fonja avokoa.
Ny fitsarana no tompon’ny teny farany amin’ny votoatin’ady isan-karazany nahatonga azy ireo ho tratran’izao fivadihan’ny rasa izao. Ny tsy azo lavina, dia ny mpiara-diha tamin’ny fitondrana teo aloha, dia vitsy sisa no mbola migadra toan-dry Kotity. Ireo nanao sesin-tany ny tenany kosa dia mbola any ivelany. Ny etsy Antanimora sy Tsiafahy ary Ambalatavohangy no misy ireto olona nambara fa saika hanogam-panjakana sy manohitohina ny filaminam-bahoaka anatiny ireto.

Tsy ho gaga isika raha maro amin’ireo mpanao politika te-haneho hevitra no mifatsika. Mamy ny miaina, ary vitsy no sahy manao sorona ny ainy. Firy tamin’ireo mpanao politika sahy naneho hevitra nefa tratrin’ny famonjana moa no mba notsidihan’ireo namany ankehitriny ? Eny fa na dia ny nanatitra sakafo indray mandeha aza. Ireo tsy mahandry ny fifandimbiasana ao anaty fifidianana sisa no mbola mikasa hitaona vahoaka andalam-be, nefa dia ireny niarahana nahita ireny indray ny tohiny toan’ny nahazo an-dry Lecacheur sy ny namany. Tsy vitan’ny kajikajy ambony latabatra tokoa ny fanaovana politika, fa mila mahari-pery amin’ny fandrindrana ny foton-kevitra hijoroan’ny fikambanana vao miroso amin’ny lafin-javatra hafa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS