Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Malagasy

Fisamborana olona tetsy Ampefiloha

Nifamaly ny zandary sy ny polisy

mardi 24 juin 2008 |  1030 visites  | Nivo T. A.

An-daniny ny polisy niaro ilay lehilahy, an-kilany kosa ny zandary nitondra
didy fampisamborana avy amin’ny fitsarana. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny zandary sy polisy, tao amin’ny faritry ny HJRA-Ampefiloha, omaly.

Araka ny vaovao azonay, dia nisy lehilahy iray notorian’ny rafilahiny fa nanodinkodina ny vadiny ary tratrany tao amin’ny trano iray teny Ampasika, ny 16 jiona lasa teo. Nitsambikina teo amin’ny varavarankely, teo amin’ny rihana voalohany moa ilay lehilahy satria tratra ambodiomby niaraka tamin’ilay vehivavy. Nitory tany amin’ny biraon’ny zandary, noho izany fangalarana vadin’olona izany ilay lehilahy. Teo an-danin’izay kosa anefa dia nametraka fitarainana tany amin’ny polisy ilay tratra nangala-badin’olona fa hoe nenjehin’ilay rafilahiny tamin’ny famaky. Nifampitory izany izy roa lahy. Omaly no nentin’ny polisy teny amin’ny fampanoavana ny raharaha mikasika ilay fitoriana saingy nahazo fahafahana vonjy maika ilay tompom-bady. Omaly ihany koa no nitondra ny didy fampisamborana avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana mba hahafahana misambotra ilay mpangalam-bady ny zandary, saingy narovan’ny polisy. Niziriziry anefa ny zandary satria taratasy mazava no azony avy amin’ny fitsarana. Mandeha ny famotorana mikasika ity raharaha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS