Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Malagasy

Matsilo

Nalevina ny CRTIM

samedi 15 mars 2008 | Naivo kely

« Tonga ny fotoana hivoahanay amin’ny fahanginana. Tsy avelanay handalo ny tantara. » Andro maro izay no tafajoro ny MATSILO, fikambanana izay niainga tao amin’ny CRTIM teo aloha.

Niova endrika sy famindra izy ireo ankehitriny, satria tsy nankatoavin’ny ambaratongam-pitondrana tao amin’ny fanjakana ny soson-kevitra nentin’izy ireo. Fanatsarana an’i Madagasikara anefa no notadiavina. « Hiatrika fifidianana isika ankehitriny, zon’ny tsirairay ny hifidy, na tsy hifidy. Ambara ho tany mandala ny demokrasia isika ka tsy mila teriterena ny olona ».

Ny zava-misy eto dia izay tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra fanjakana dia kilasiana ho mpanohitra. Tsy olana amin’ny MATSILO izany fa ny tanjona dia ny hampivoarana haingana ny fiainam-pirenena. Isan’ny tanjon’ity fikambanana ity ny fampivoarana sy fampiofanana ny mpiray tanindrazana. « Tsy mialonjafy izahay, hoy ny loholona Jean Clément, ary malalaka ny fidiran’ny antoko rehetra ao ».

Momba ny fampihavanam-pirenena takian’ny CRN kosa indray, dia mandinika ny MATSILO, ary rehefa hita fa hahasoa ny firenena, inona no sakana tsy hirosoana amin’izany ? Vonona ny hifanakalo hevitra ity fikambanana vao nijoro ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS