« Lazao ny marina fa aza mialokaloka ao ambadiky ny zavona ». Teny izay miantefa any amin’ireo milaza fa tena mpanohitra eto amintsika ireo, ka mahafanina ny vahoaka ny angolam-pitifirana ny tsy fahombiazan’ny fitondrana amin’ny tarigetra izay tiany ho tratrarina. Ny fahoriam-bahoaka izay tsy mbola ahitam-panafana no atao litania isan’andro vaky ka ambara fa tsy mbola nisy tahaka ity hatrizay niainana. Tsy anjaranay no hitsara ireo mpanatanteraka, fa raha vonona ny haningotra ny fahefana eo ampelan-tanan’ny mpitondra ny mpanohitra, nahoana no tsy miray hina ?
Iza no mbola hahatoky azy ireo, koa izy mianakavy aza mifanipaka ampitoerana toy ny valana an-karona ? apetraho ny hambo-po eo amin’ny tsirairay, ka atambaro ny hery, ho mariky ny firaisan-kina toy ny fanotana bileta tokana, ahafahan’ny mpanohitra rehetra milatsaka handresy ireo eo amin’ny fahefana hambara ho mpanao didy jadona. Ny tsapa dia maro ireo mpanohitra misaro-tava, ka mody milaza ho mpanohitra nefa mandray... amin’ny ankilany, ka ny filatsahana ho an’ireto mpanohitra sasany mba hampahazo vahana ny antokom-panjakana. Dia diniho sy fakafakao anie ny ataon’ny kandida sasany e. Ny teny zato kabary arivo, anie ka ahitana ny marina miafina e.