Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h18
 

Malagasy

Gisele Rabesahala

Misy mamingavinga ny tia tanindrazana

vendredi 21 mars 2008 | Naivo kely

« Diso ny filazana fa fanapotehana ny MDRM sy ny tia tanindrazana ny 29 martsa 1947. Nahoana no hiniana disoina ny tantara, ka ahilika tsy hipetraka ho tia ny tanindrazana ireo mpitolona tamin’izany ?

Tsy anjarantsika taranaka aty aoriana no mandiso ireo ray aman-dreny namoy ny ainy nandritra izany tolona izany. Ny Fifanampiana malagasy izay tarihiko », hoy ramatoa Gisele Rabesahala, « dia mampatsiahy ny 29 martsa fa andro natokana ahatsiarovana ireo namoy ny ainy nandritra ireny ady nifanaovana tamin’ny mpanjanatany ireny. Maro ny ra latsaka, ary apetraka ho andro hankalazana ny herimpon’ireo tia tanindrazana rehetra, izay niady ho amin’ny fahaleovan-tena ho an’i Madagasikara. Hampahatsiavina eo imason’izao tontolo izao, fa niady ho an’ny tanindrazana ireo zoky ray aman-dreny tany aloha ».

« Manameloka ny tenin’ny Otrikafo sy ireo milaza ho taranaky ny MDRM izay milaza fa mpamadika ireo niady tamin’iny vaninandro iny. Ekena fa nisy hevitra tsy nitovizana tamin’izany, indrindra teo amin’ny tanora. Aoka tsy ho vingavingaina ny ran’ireo mahery fo », hoy ny filohan’ny fifanampiana Malagasy.

« Izay indrindra no nijoroan’ity fikambanana Fifanampiana Malagasy ity, izay nitaky ny famotsoran-keloka faobe ho an’ireo voarohirohy tamin’izany. Tsy ekena ny fiampangana ny MDRM, JINA, Panama, na ireo rehetra nigadra ho mpamadika, satria izay no nitakiana ny « aministie » faobe nataonay tamin’izany. Hatramin’izao, dia tsy mankasitraka ny fanavakavahana sy ny fiampangana bontolo, fanaratsiana sy fanalam-baraka ireo tia tanindrazana ireo. Izay no tokony hankalazana ny vaninandro namoizana ireo martioran’ny firenena toy ny 29 martsa ».

Momba ny filazana fa tsy fasan’ny mahery fo ny etsy Ambohitsaina, dia nampahatsiahy ramatoa Gisele Rabesahala, fa antsika ary an’ny Malagasy rehetra. Tsy tokony handrora mitsilany isika malagasy, ary mbola mitaona ny maro hankalaza io andro manan-tantara tsy hay kosehina io isika Malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS