Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h46
 

Teny zato, kabary arivo

Mipoitra ny nafenina

jeudi 3 mai 2007 |  204 visites  | Naivo kely

Raha tsorina dia ny resaka JIRAMA no fototr’olana eo amin’ireo fihetsiketsehana tarihin’ny mpianatra any amin’ny renivohi-paritra vitsivitsy eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao.

Efa nanambara moa ny tompon’andraiki-panjakana efa an-taona maro fa sarotra tokoa ny nanarina ity orin’asa JIRAMA ity vokatry ny atan-drevaka nandritra ny taona maro tamin’ny fitantanana ity orinasa ity. Ekena tokoa izany saingy tokony hasongadina ny fahaiza-manao ankehitriny eo amin’ireo mpitondra fanjakana fa voafehy ao anaty fotoana fohy ny fanarenana ity orin’asa ity.

Antoka lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny herin’aratra, tsy tokony atao ambanin-javatra velively noho izany ny fanarenana azy haingana, misy anie ny mahay manararaotra ny zava-misy e ! Mikoha maina aza atao, ka mainka fa...

Mipoitra ny nafenina ankehitriny, maro manko ny ahiahy tsy mba namana ny amin’ny hoe : « fifandrifin-javatra ve no tao anaty fotoana iray dia nisy olana ara-teknika avokoa ireo fitaovana any amin’ireo faritra vitsivitsy ireo ? » - Tsy mbola mivaha tanteraka ny olana amin’ny fanamboarana ireo fitaovana, indro mipoitra indray ny fihetsiketsehana eo anivon’ny mpiasan’ny JIRAMA amin’ireto fitakiana miisa 11 ?!!

Tsy nitsipaka velively ireo fangatahana ataon’ny mpiasa ny tena, fa sao kosa ho difotry ny hataka ny tompon’andraikitra ka ny eo tsy ahitana vaha-olana, ny hafa hasisika. Tsy aleo ve miandry kely ka ho hita eo marina fa fitakiana ara-drariny tsy misy ambadika no atao e ! Tsy ahita rirany eto mihitsy isika ao anaty savorovoro fa ho very fotoana eto foana. Koa aza afangaro re ny vary sy ny tsiparifary, ny setroka sy ny tomany e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS