Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h46
 

Teny zato, kabary arivo

Milamina anaty korontana

lundi 14 mai 2007 |  154 visites  | Naivo kely

Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka tokoa ny rehetra ka ny mpitazana sisa no mitsara na marina ilay fiarovan-tena na tsia. Eo amin’ny manam-pahefana maro isan-karazany eto amintsika sy ny mpanohitra no tiana hambara, izay niainga tamin’ny hetsiky ny mpianatra manerana ny faritra maro, ka nidiran’ny mpanao politika isan-karazany. Velona ny fisamborana, ary tao ny nampidirina am-ponja, ka tsy nasiana fanavahana na olom-boafidy io na mpianatra na ihany koa olon-tsotra manararaotra mandroba fananan’olona.

Tsy nampiravona ny olana anefa ireo fa nisy ny fifamonoana tany amin’ny Oniversite tao Fianarantsoa ka nampilefa ny mpihavy tao. Ny mpitazana dia nanamafy fa zava-doza ny tahaka izao, ary ny manam-pahefana hafa kosa mitazona ny heviny, fa efa milamina ny any an-toerana. Toliara, Fianarantsoa, Antsiranana dia samy nahitana mpihavy nandositra avokoa, ary tsy honohono io, fa zava-misy. Hatreto dia azo adika fa tsy milamina ny tany, ka aoka tsy sarotsaronana ny mifanohatra amin’io ny raharaha. Ekena fa mandray ny andraikiny handaminana ny tahaka izao ny fanjakana, saiky io iarahana mahita io ny zava-misy. Milamina anaty korontana izao ny firenena, ka iza no raiaman-dreny to-teny afaka handamina ny olana ? Ho voaravon’ny famonoana omby ve ny famerenana ny fihavanana eo amin’ny foko samy hafa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS