Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 15 mai 2024
Antananarivo | 05h07
 

Malagasy

Fanendrena loholona

Miandrandra toerana ny mpanohana ny fitondrana

mardi 22 avril 2008 |  415 visites  | Naivo kely

Vita ny fifidianana loholona. Nanjaka ny antokon’ny fitondrana dia ny TIM izany. Nifanome ny vatony ho an’io antoko io avokoa ireo mpifidy vaventy avy amin’ny fikambanana samy hafa, ka maro no nahitana 100% ny vokatra azo.

Faharesen-dahatry ny mpifidy vaventy sa tahotry ny mety ho ankivy amin’ny kaominina tsy miray tendro amin’ny fitondrana no nahitana ireny 100% ireny ? Maro ireo ben’ny tanàna tratra antso an-tariby izay nanambara, fa aoka aloha izay ny ady lahy politika fa ny asa hampandrosoana ny kaominina sy ny faritra izao no maika.

Fa isan’ny mitana ny sain’ny maro ireo loholona 11 ho tendren’ny filoham-pirenena. Maro ny manantena fisokafana amin’io, saingy tsy hisy anjara toeran’ny mpanohitra kosa. Ireo niara-dia tsy mba nivadika tamin’ny filoha no manantena io. Isan’izany ny Grad Iloafo, ny Arema matotra, AMF/3fm, Ny Teza, ary ireo antokom-pinoana izay manana ny olona heveriny fa afaka ny hifanome tanana amin’ny filoha. Tsy azo atao ambanin-javatra io olona avy amin’ny finoana io. Voafetra ny daty hanendrena ireo loholona ireo, ary andrasana fatratra izany olona izany, ary ny azo antoka dia tsy olon’ny TIM intsony no betsaka ho tendrena fa hisy fisokafana amin’ireo mpiray donak’afo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS