Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h01
 

Teny zato, kabary arivo

Maty vao ramalala

vendredi 9 novembre 2007 |  1134 visites  | Naivo kely

Niravaka mari-boninahitra ireo mpanakanto nalaza nodimandry tao ho ao, ka isan’ny nahazo izany farany i Zafihita sy i Toty, ary nomena sehatra manokana tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely mba hiandrasana ny nofo mangatsiaka.

Fihetsika mampihetsim-po ny toy izao, saingy voninahitra tsy noravahan’ny velona fa anara-tsy very ho an’ny maty. Firy ireo zoky olona tsy hanavahana asa atao sy sehatra politika nampiakatra avo ny voninahitry ny firenena, saingy mazana olatra na kilaoty rovitra no mba voninahitra hisalorany. Raisina ohatra amin’io na mpanakanto, mpanao gazety, mpanao fanatanjahan-tena, mpanao politika, mpitsabo indrindra ireo mpanao asa sosialy. Adino tanteraka izy ireny raha mbola velona, kanefa voatanisa avokoa ny asa vitany rehefa maty. Maty vao ramalala izy ity hoy ny mpitazana , ka ny velona sisa mihebo ho manana havana nirava mari-boninahitra. Tsy aleo mba asiam-panovana amin’izay ny fomba fiasa manomboka izao mba higoka ny hatsembohany izay nisasatra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS