Madagascar Tribune | Marary...
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 6 septembre 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Marary...

jeudi 10 juillet 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra ve ny fanatanjahan-tena eto ? Io no mby tonga ao an-tsain’ny maro, raha mahita fa ity taranja iray ity no hifantohan’ny fanjakana mafy ny fampiakarana avo azy. Nosoloina mihitsy ny minisitry ny Fanatanjahan-tena teo aloha, satria angaha tsy nifanaraka tamin’ny tanjona nokasaina ny asa nataony ?

Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra aloha hatreto ny resaka, ary dia nanafarana mpanazatra vahiny mihitsy hijery ifotony raharaha. Tsy olana izany, satria fahaiza-manao no tadiavina. Saingy toa tsy voajery intsony ny fanatanjahan-tena hafa, na dia hita fa marary aza. Sa ny baolina kitra ve no be mpankafy indrindra, ka aleo io no imasoan’ny fitondrana mafy ? Tsara ny milaza fa ireo taranja hafa, dia efa nitondra avo ny voninahim-pirenena, saingy ny baolina kitra kosa, dia io manetry ny voninahim-pirenena lava io. Tsy aleo ve hiarahana mijery avokoa ny fanatanjahan-tena rehetra, ka izay tsy voaharina amin’iray, mba voaharo atsy ankilany. Ny fijerena mitanila ny sehatra tahaka izao no maha-kely ny finiavana ny tanora hilofo bebe kokoa amin’ny taranja izay izay nataony. Hilaina fiheverana fa tsy ny baolina kitra ihany akory no fanatanjahan-tena eto.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    juillet 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30 31      
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP