Hifanotofana ny fizarana kahie ho an’ny zanaky ny sahirana eto andrenivohitra. Rariny ny toy izao, satria izay mba manana ny anjara masoandro no aoka hitsimbina ireo madinika ireo
Nitarika ity fizarana fitaovam-pianarana ity voalohany ny TIM. Efatra isaky ny ankizy no natolotra tamin’izay. Mbola mitohy io hatramin’izao. Niditra an-tsehatra toy izany koa ny fikambanana samy hafa, izay tafiditra amin’ny fifaninanana masina. Soa tokoa fianatra, ka nanomboka omaly, dia nizara kahie isaky ny boriborin-tany koa ny TGV. Voa indray aloha ny TIM teto raha ny isa no asian-teny, satria 20 isaky ny ankizy ny an’ireto TGV ireto, fa tsy 4. Manana endrika fanindriana ny ataon’ny antokon’ny fitondrana izao miseho izao hoy ny mpitazana, satria nahoana raha kitapo na boky indray no nozarain’ny ankilany, fa tsy kahie tahaka ny an’i TIM ? Manomboka ny fifaninanana eo amin’ireo antoko roa ireo, ary hita fa samy maka ny fon’Antananarivo ny tsirairay. Maro an’isa eto ny sahirana, ka azo antoka, fa efa fitsimbinana ny vato aoriana kely ny toy izao. Dia ho hita eo ny tohiny, fa izay mahatolotolotra hono, sarotra adinoina ao an-tsain’ny mahantra.