Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 22h24
 

Malagasy

Hetsiky ny mpianatra

Manameloka ny fisamborana

vendredi 18 avril 2008 |  479 visites  | Naivo kely

Voaantso tetsy amin’ny tobin’ny zandary Fiadanana i Mamy Jo ny alarobia lasa teo. Tsy niatrika ny fian tsoana azy nefa ity farany satria tsy ny anarany manontolo no hita tao anatin’io fiantsoan’ny zandary etsy Fiadanana io. Momba ny fanetsiketsehana ny mpianatra izay niseho andro vitsy lasa no votoatin’ny fiantsoana.

Mamy Jo dia filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny anivon’ny ambaratonga ambony antsoina hoe JERM « Jeunes Etudiants de Madagascar ». « Olona mahalala lalàna aho ka tsy hanaiky ny fandrahonana atao ahy », hoy ity mpitarika mpianatra eny Ankatso ity. « Ho tohizako ny fitakianay mpianatra, dia ny resaka vatsim-pianarana, sy ny fanomezana trano ho an’ny mpianatra izany. Heloka ve ny fitakiana tahaka izany ? » Manoloana izany fiantsoan’ny mpitandro ny filaminana ity mpianatra ity, dia nanao fanambarana ny solontenan’ny mpianatra any amin’ny faritany, izay manameloka ity fiantsoana tampoka an’i Mamy Jo ity. « Ny fanjakana tokony handinika tsara ny olan’ny mpianatra fa tsy hambara ho mpanakorontana lava izahay. Tsy andositra aho fa miandry izay mpitandron’ny filaminana hisambotra ahy », hoy ny filohan’ny JERM.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024