Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 15h56
 

Teny zato, kabary arivo

Mahaiza manaja tena

mardi 28 août 2007 |  207 visites  | Naivo kely

Vita sy nivoaka tamim-pomba ofisialy omaly ny anaran’ireo mpanao gazety atao hoe maty hanina amin’ity sehatra ity ka mahatratra 1001 no isan’ireo nahazo izany karatra izany, mba ahafantarana fa tena miaina ao anatin’io sehatra io izy ireo. Ireo nahafeno ny telo taona mihoatra teo amperin’asa no mahazo izany karatra izany. Tsy midika akory io fa hanilika ireo mbola tsy nahafeno ny fe-potoana, fa ny toeram-piasana ho amin’ity sehatra asa fanaovan-gazety ity koa no manome karatra ahafantarana hoe mpiasa amperin’asa tokoa ity olona ity, fa tsy mpisandoka.

Resaka fisandohana ity dia misy io. Toy ny asa rehetra dia ahitana izany ny eo anivon’ny holafitry ny mpisolo-vava, ny mpitsabo, ary ny mpitsara. Hiatrika fifidianana isika eto Madagasikara atsy ho atsy, izay fotoana hifampitadiavan’ny kandida ny mpanao gazety hivohy ny heviny, ka aoka isika mba tsy ho voafitaky ireny mpisandoka ireny. Mba mahalala menatra, ary mahaiza manaja tena ianareo milaza fa mpiasan’ny haino aman-jery tsy manana toerana hiasana ireo, fa misy fetrany ny zavatra azo hisandohana, ka mba ataovy anatra ireny milaza ho mpiasan’ny fahasalamana sy mpitsara miditra am-ponja ireny. Dia samia ho hitan’ny havany eo, fa tsy ny felaka no hanimbana ny asan’ny sasany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS