Na ireo ampamaoka atao azy ireo aza tsy mampihontsina akory satria investi eto an-toerana daholo ny fananany. Miteny foana aho fa tsy maintsy manararaotra daholo izay manana fahefana fa rehefa ampiasainy eto @ Firenena izay azony, tsy hitako izay olana.
Ny tsy tantiko @ ireo mpitondra teo aloha dia ny famoahany ny harem-pirenena any ivelany ka mampahantra ny Firenena.
Tsy mba isan’ireo mijery izay am-paosin’olona aho fa rehefa mahavita zavatra tsara eto an-tanàna izy dia faly aho.
T@ andron’i Tsiranana dia tsy nisy loatra ity fandrobana Firenena ity (ankoatry ny 10% de commission,nampalaza be t@ 72 an’ Itlahy Rabemananjara) fa toa samy nifaninana aza ry zareo teo @ fitondrana nampandroso ny faritra nihaviany avy. Izany no nampisy ireny lycée sy hopitaly isaky ny Province ireny. Nalaza be ny orangeraie tao Morondava sy ny siramamy, potika daholo ireny t@ fitondran-dRatsiraka, ry Hortense (Procoops nampiasa camion Tafika sy miaramila nanagona @ vidiny mora ny vokatry ny tantsaha ka tsy nampazoto an’ireo loatra t@ famokarana intsony satria ratsy be ny lalana) sy It.Rajaona J. namoaka nankany Frantsa ny harena nangalariny sady nanapotika ireo Stés nationalisées rehetra (COROI, SOMACODIS ? LA SICE sns..).
Na villa aza tsy nataony tany @ toerana nihaviany fa tao Tana no nananganany fonenana.
Efa t@ fiverenany t@ 96 Ratsiraka vao mba nanao ny any Ambodiantafana, @ izay trano fonenana fotsiny fa tsy mba exploitation mamokatra akory. Ny zanany Xavier no nanao transport aérien sy ni-exploiter ny pont flottant Ivoloina, izany hoe fanangonan-karena fotsiny fa tsy mba famokarana mampandroso ny Firenena toa any an’dRavalo. Na an-dRavalomanana manontolo aza ny famokarana eto, tsy hitako izay olana satria mijanona eto daholo ny vokatra !(miantso mpanam-bola ivelany aza atao !) Nefa io no tsy tantin’ny mpialona, tsy homby ny kibony ange na ho entiny maty ka ho very izay fananany eto ê ! fa ireto olona toa an-dr’i Pierrot sy ny namany no tena fambotriben’ny tany satria mivoaka ivelany daholo ny harem-pirenena, iarahany tsikomba @ Frantsa izay mamporisika izany koa satria vao mainka mampitombo ny arin-karenany. Izay lay mampanhantra @ ity Frantsafrika ity. Tsy hita fa ambany latabatra daholo ny halatra ataon’ny mpitondra. Ny an’i Bongo sy Mobutu no hita be satria mivandravandra ny luxes rehetra ananany any ivelany, fa ny an-dr’i Pierrot,Tantely sy Ratsiraka, mainka loza satria hapetrany actions @ Stés frantsay ka tsy hita miharihary nefa mambotry Firenena.
Na iza na iza mpitondra, aza manonofy olona tsy hanararaotra fa ireo mamoaka any ivelany ny halatra ataony no tena faneben’ny Firenena.
Io ilay hoe : (noraisina avy t@ forum iray)
I Ra8 tena « anti » ny majorité(olona) gasy,jereo anie ;
Ra8 tia mandrifatra...ny olona mandeha « moramora »
R8 tia ny hezaka... ny olona tia atosi-potsiny
Ra8 manana sy mampiasa ny atao hoe rigueur...ny olona lany andro amin’ny « fihavanana malagasy »(ka na ny lalàna aza tadiaviny hiadiany varotra !
Ra8 tia fivavahana amin’andriamanitra..ny olona tia fivavahana amin’ny razana
Ra8 tsy misotro raha tsy @ fanasana ..ny olona tia zoma magnifique (lol)
...
Ra8 olon’ny 21e siècle...ny olona mbola toe-tsain’ny 18e
...