Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 22h01
 

Teny zato, kabary arivo

Kely finoana

samedi 8 septembre 2007 |  188 visites  | Naivo kely

Tsy hisy olona sahy hanambany sefom-pokontany intsony eto taorian’ny dera sy laza natolotry ny mpitondra fanjakana ambony azy ireo, ka zary natao litania mihitsy ny fandrangarangana ny fahefana izay hanan’ireto olom-boafidy tao amin’ny fokontany ireto. Fahaiza-mitantanana sy mandray andraikitra no nampiofanina azy ireo teny amin’ny lampam-panjakana Iavoloha, ka na dia fohy aza ny fotoanana niofanana dia afa ny misy noho ny tsy misy.

Ny mahalasa saina ny rehetra, dia ity fanantenana fampandrosoana andrandraina amin’izy ireo. Ankoatry ny taratasy ilain’ny mponina andavan’andro sy ny fanaovana andrimasom-pokonolona, moa ve ahavita fahagaga eo antanana izy ireo ? Mety ahay hanentana ny olona hamboly sy hanao asa tanana izy ireo, saingy aiza no enti-manana toy ny vidin’ny masom-boly sy zezika ? Mety hisy hilaza hoe izay ilay toe-tsaina ambany sy mirefarefa, kanefa raiso amin’ny saina tsy miangatra fa raha noana anie hono ny kibo mivezivezy ny fanahy e ? Kely finoana ny maro, saingy be finoana kosa rehefa milatsaka ilay baiko avy any amin’ny filoham-pirenena na ihany koa ny Praiministra milaza hoe tsy maintsy vitaina ao anatin’iray volana na ihany koa herin-taona ity sekoly na lalana na ihany tetezana ity. Io no hita teny nisongadina hatramin’izay ka nahavita izao asa betsaka izao. Tsy midika io fa maivana ny sefom-pokontany, fa ny fahaizana miara-mientana eo amin’ny rehetra no tanjona, koa aleo hery fa ny asa miandry isaky ny faritra betsaka, indrindra fa ao anatin’ny fananganana ny rindrina sy ny tafo isika izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS