Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 21h51
 

Teny zato, kabary arivo

Injay ilay feo

samedi 15 novembre 2008 |  994 visites  | Naivo kely

Nahazo sehatra tamin’ny haino aman-jery samy hafa teto Madagasikara ny amiraly Ratsiraka tao ho ao. Ao raha hoy ny fomba fiteny izay. Mampahatsiaro ny zava-nitranga taorian’ny taona 1991 ny toy izao, ka nampiongana ny profesora Zafy Albert tao anatin’ny taona vitsy.

Dia heno fa hiverina an-tanindrazana hono ny amiraly Ratsiraka ? Izay ve no tena marina ? Injay ilay feo, hoy ny mpitazana. Rehefa tsy nahatafavoaka baolina ny mpanohitra teto an-toerana nandritra ny fotoana maro, dia arangaranga fa ho avy ilay kapitenin-tsambo nandositra adidy tao anatin’ny fotoana sarotra. Fotoana izay namoizana ain’olona maro, ary nampifandrafy ny mpiray tanindrazana. Maro ny ra latsaka tamin’ny taona 2002, ary latsaka tany anaty hantsana ny toe-karena Malagasy. Enin-taona aty aoriana, dia hiverina hono ny amiraly Ratsiraka. Ho voasitran’izany ve ny ratran’ireo nigadra sy namoy ny ainy tamin’izany ka hatramin’izao ? Sao dia ho avy ilay fandraisana ilay fivoriana in-droa miantoana ho atao manomboka ny taona ho avy iny, ka apetraka ny karazana korontana maro samy hafa, mba hisakanana io hetsika goavana io ? Iarahan’ny rehetra mahalala fa tsy hanaiky ny hisian’ny fisamborana ity filoha teo aloha ity ireo mpanara-dia azy. Eo no hipetrahan’ny ahiahin’ny rehetra, toy ny nitranga tamin’ny saika fahatongavan’ingahy Pierrot Rajaonarivelo tany Toamasina farany teo. Inona ny fepetra ho raisin’ny fanjakana manoloana izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS