Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 18h23
 

Teny zato, kabary arivo

Hiverina i Sylla

vendredi 28 septembre 2007 |  767 visites  | Naivo kely

Ny toerana hifandimbiasana, ary izay mahandry tantanana tsy ho very anjara. Io no hifantohan’ny saina manoloana izay ho filohan’ny antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza. Mety hilaza ny sasany hoe ny vokatra aza tsy mivoaka ary tsy fantatra izay mandresy sy resy koa nahoana ny filohan’io andrim-panjakana io sahady no hanaovana kabaribe eto ? Mety hitombina izany, kanefa tsy azo atao ny tsy hijery lavitra fa ho varian’ny ambany maso lava izao.

Mitarika ny kandida Jacques Sylla any amin’ny distrikan’i Sainte-Marie, izay tsy zoviana amin’ny rehetra fa Praiministra teo aloha nandritra ny dimy taona tsy niato, kanefa rehefa lany hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka i Ravalomanana, dia tapaka ny heviny fa ovaina ny PM. Nangina tanteraka ity PM tao anatin’izay volana sivy nialany teo amin’ny fitondrana izay, saingy tsy navelan’ny antoko ho kamboty ny tenany fa narotsaky ny antoko ho depiote indray. Hiverina i Sylla, kanefa tsy ho depiote tsotra fa hapetraka ho filohan’io andrim-panjakana io ? Iza no tsy nahatsiaro ny ankivy nahazo ny mpanao politika fony izy PM ka nilazany fa « tsy »crédible« ianareo mpanohitra ? » Firy ny mpanao politika nahazo ny anjarany, ary tsy hita fiafarany intsony mba tsy hitenenana zavatra hafa fony izy nitondra ny governemanta ? Feo miely ny hametrahana azy ho filohan’ny Antenimiera, kanefa tsy zoviana amin’ny rehetra fa mbola nahay nametraka ny anjara asany i Mahafaritsy nandritra izy filohan’io andrim-panjakana io. Antenaina fa tsy ho olona avy eto afovoan-tany intsony no omena fahefana amin’ny andrim-panjakana tahaka izao, na dia hambara fa ny baolina maty ihany aza no jerena. Ireo anarana roa ireo no azo antoka fa hiakatra eo, raha tsy hoe angaha misy olomanga hafa any ho any, satria tsy ny nahipon’ny depiote lany eo no hametraka ny filohany, fa tsy maintsy teny midina tahaka ny mahazatra ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS