Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 03h11
 

Malagasy

Henri Lecacheur

Hitarika vahoaka an-dàlambe

jeudi 10 avril 2008 |  856 visites  | Naivo kely

« Ampy izay ny fandeferana. Efa tafahoatra ny fahoriam-bahoaka, ary tsy izao no nifanarahana tamin’ity fitondrana ity, raha nametraka azy tamin’ny toerany izahay ny taona 2002. Vonona aho ny hitarika vahoaka eny an-dalambe raha ilaina, ary na higadrako aza tsy olana », hoy ingahy Henri Lecacheur raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Motel Anosy omaly. « Toa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka mitango ao avokoa ny mpitondra ankehitriny. Tsy azo ekena intsony izany ».

« Mila mpitarika manana fahavonona anefa ny tolona. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza. Ny tombontsoa ambony ny firenena no tsy maintsy tandrovana. Kivy ny vahoaka ary tsy manana risim-po eo amin’ny sehatra maro intsony ». Tsara ny milaza fa mpanolon-tsaina manokan’ny filohan’ny repoblika ingahy Lecacheur, saingy nametram-pialana noho ny fahitany ny tsy fahombiazana. « Voafitaka tahaka ny vahoaka rehetra aho » hoy ihany ny lehilahy.

Notsiahiviny ny resaka tao Vohidiala, ny tany amin’ny seranan-tsambo Toamasina sy ny tao amin’ny Jirama izay nahitana fanamparam-pahefana avokoa.

Miandry ny hetsika ataon’ingahy Lecacheur ny rehetra amin’ity hambarany ho fidinana an-dàlambe ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024