Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 11h48
 

Malagasy

Fampielezan-kevitra

Hipoka olona i Mahamasina

lundi 10 décembre 2007 |  571 visites  | Hery A.

Nitorajofo i Mahamasina tamin’ny sabotsy tontolo andro teo, nandritra ny hetsika lehibe nokarakarain’ny mpanohana ny kandida natolotry ny TIM Hery Rafalimanana. Matihanina ny fikarakarana ny fampisehoana sy ny artista nanohana ny kandida, saingy na dia izany aza dia noporofoin’ireo vahoaka nameno ny kianjaben’ny Mahamasina fa ny fandaharan’asan’ny kandida no nandrasany. Taorian’ny kabarin’ny kandida tokoa dia niparitaka ireo vahoaka na dia mbola teo aza ireo artista malaza eto amin’ny tanàna, vonona nampirevy hatramin’ny farany. Tafitan’ny kandida Rafalimanana Hery ny hafatra izay namintinany ny programan’asany ankapobeny. Nanotrona azy koa ireo kandida mpanolon-tsaina miaraka amin’ny TIM. Tsy maintsy mihaino ny feo’ny mponina amin’ny fokontany 192 ny tenako hoy ny kandida ka ny sabotsy hariva ihany dia namaly ny hetahetan’ny mponina teny Soavimasoandro Rafalimanana Hery. Nitafa tamin’ireo vahoaka izay niandry azy izy ary tsy nisaraka raha tsy maizina ny andro. Ambenti-tenin’ny kandida moa ny nahazoany traikefa mialoha, raha miohatra amin’’ireo vao hitsapatsapa. Efa vonona ny tetik’asa, vonona koa ny vola ary ankoatr’izany dia efa mangetaheta fiarahana ihany koa ireo mpamatsy vola. Hamboarina ho kianjan’ny tanora ny toerana malalaka ao Soavimasoandro, aorian’ny fifanarahana amin’ny tompon’ny tany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS