Volana iray sisa andrasana dia hiova ireo mpikambana ao anatin’ny governemantan’i Praiminisitra Charles Rabemananjara, izay nitondra nandritra ny volana vitsy monja. Governemanta izay samy manana ny fomba fitsarany aza ny rehetra na nahavita ny asa mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka malagasy azy na tsia.
Minisitera maro no tsy maintsy hilaozan’ny minisitra amin’izao fotoana, satria maro amin’izy ireo no nisafidy ho kandida hiaka-dapa etsy Tsimbazaza. Fitsapana ny tena fitiavan’ny olona azy ireo no handrasana, kanefa na ho lany na tsia ny ankamaroan’ireo minisitra-kandida ireo, dia ny azo antoka ny tsy maintsy handaozan’ny ankamaroan’izy ireo ny toerany amin’izao fotoana. Mety hisy fiantraikany hatrany amin’ny Praiministra io. Sivy volana aty aoriana izany dia hiova indray ny Governemanta izay noheverina fa hitondra avo ilay fampandrosoana momba ny MAP, koa hanao ahoana indray ny firafitry ny mpisolo toerana eo ?