::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 07h10  :  20°C  :  Soleil et nuages épars
lundi 22 mars 2010
 

 > Teny zato, kabary arivo

Henoy izay ry hazon-damosina

jeudi 3 juillet 2008, par Naivo kely

Tsy mety leo, fa mbola manantena. Hotohizanay hatramin’ny farany ny fangatahanay ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena eto Madagasikara. Na ho inona hevitra handraisan’ny mpitondra izany, dia làlana iray ahafahana mibanjina ny ho avin’ny firenena rahampitso io.

Tsy voatery ho ratsy avokoa ny hevitry ny hery avy aty amin’ny fanoherana hoy ny minisitra teo aloha tao amin’ny antoko AVI. Tsy hitady toerana ihany koa fa ny tombontsoam-pirenena no ilaina banjinina. Ny antoko AKFM dia mbola manamafy io fihaonana maika io, ary tsy hambakan’izany ny Leader Fanilo, sy ny AREMA.

Ireo no mety ho voatonina eto, fa saika ny ankamaroan’izy ireo no manao ity fangatahana ity, saingy mbola antso an’efitra aloha hatramin’izao, na dia misy mihaino ihany aza izany fangatahana izany.

Misy kosa anefa ireo minia mangina. Ny antony tsy fantatra, na dia heverina ho manana hevitra tsara aza. Tsy tokony ho lalaovina ny vahoaka, hoy ireo nisafidy ny hangina ireto, fa rehefa tonga ny fotoana mahataitra ny vahoaka, dia lasa izao, fa tsy ilaina fikaonan-doha mandany andro izany. Henoy izany ry hazon-damosina. Io tsy fifampihanoana io no mitoetra andro aman’alina. Tsy ho gaga isika, raha efa misy manomana ity fihaonana an-databatra boribory ity any ho any, ka kasain’izy ireo atao afaka volana vitsy. Ny hery rehetra no asainy, ka ho hita eo izay tsy manatrika izany, raha tanteraka tokoa ity fikasana ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail envoyer par mail   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Expo Fleur d'école - L'enfance ailleurs

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 156  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360