Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 05h05
 

Finances

Performance fiscale

Formations et pressions sur les CTD

mercredi 22 février 2017 | Bill

L’Etat veut accroître de 20% le taux de recouvrement fiscal pour cette année budgétaire. Le directeur général des Impôts explique pour ce faire deux axes à développer, d’une part le contrôle en partenariat étroit entre les services des impôts et les collectivités territoriales décentralisées (CTD) et les fokontany, auprès des petites et micro entreprises ; d’autre part le rétablissement ou l’instauration de la confiance entre l’Etat et les grandes entreprises grâce à la stratégie d’analyses des risques. Ainsi depuis quelques mois déjà, la Direction générale des impôts et ses démembrements déploient des séances de formations dans les CTD. Les membres des institutions constitutionnelles eux aussi mettent la main à la pâte. Le sénateur Mohamed Mourad Abdirassoul a dispensé depuis 2016 des formations en bonne gouvernance aux maires ruraux et présidents de conseil de la région Analamanga. Ce renforcement de capacités, indispensable, se poursuit cette année par l’état de droit puis l’éducation civique et la préservation/défense de l’environnement.

Le ministre Andrianjato de la Communication s’adressant aux maires des communes ruraux au sujet de la contribution nationale des citoyens et ménages dans les communes rurales fait remarquer que seuls 30% des impôts et taxes sont perçus. A beaucoup d’égards, il fait pression sur les maires ruraux en formation à Maibahoaka voici quelques semaines, pour déployer des efforts « car les entreprises informelles sont nos ennemis, précise-t-il, des adversaires. Si les communes rurales ne contribuent pas à cette lutte contre l’informel, il est difficile à l’Etat de prendre toutes ses responsabilités comme tout citoyen et toute collectivité territoriale décentralisée le souhaitent vivement ».

Dans beaucoup de CTD, on affiche des performances louables dans le recouvrement fiscal. Il en est ainsi de la région Boeny qui a réalisé 107,14% de recouvrement par rapport aux prévisions 2016. C’est le résultat des formations techniques dispensées par les services des Impôts auprès des CTD, souligne le chef de région. Il y a environ 14 impôts et taxes pour les CTD dans la loi des Finances 2017.

9 commentaires

Vos commentaires

  • 22 février 2017 à 09:49 | Be-Tsikera (#8458)

    Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : nahoana no tsy marisika amin’ny fandoavan-ketra ny mponina ?
    - satia tsy manam-bola izy ho enti-manefa izany ;
    - satria tsy tsapany sady tsy hitany akory hoe inona no nampiasaina ny hetra naloa ;
    - satria mbola maro ireo tremalahy isankarazany tsy mandoa hetra satria mialokaloka eo ambanin’ny fahalalàna olona ambony ka manakivy ny valalabemandry tsy handoa hetra ;
    - satria mbola be loatra ny tahan’ny kolikoly manodidina ny sampandraharaha momba ny hetra, hany ka very an-javony ny herim-pon’ny olom-pirenena hanefa ny adidiny ho fampandrosoana ny firenena ;
    - sns.
    Etsy an-danin’izany, tsy vaha-olana koa ny fanaovana hazalambo ny sehatra tsy manara-dalàna (secteur informel) noho izy ireo maro an’isa loatra mihoatra amin’ireo miasa amin’ny sehatra ara-dalàna. Vaha-olana mahomby toy ny fampirisihana hiditra tsikelikely amin’ny sehatra ara-dalàna no tokony hatao. Isan’ny famporisihana izany ny fandraisana fepetra mba tsy handoavana hetra ao anatin’ny iray na roa taona vopalohan’ny asa fandraharahana. Eo ihany ny koa ny fanalefahana ny mpitsompitsony rehetra momba ny fandoavan-ketra (ny taratasy, ny sarany, ny fe-potoana, ...). Efa be ny tranga hita, indrindra eo amin’ny renivohitr’i Madagasikara, kanefa tsy mahay mandray lesona akory ny mpitondra mba hahombiazan’ny teti-panorona enti-mandresy lahatra ny olona hanefa ny adidiny.

    • 22 février 2017 à 11:30 | Turping (#1235) répond à Be-Tsikera

      Be Tsikera,
      - Koa tsy efa nomenao daholo ve ny ankabeazan’ireo valin-teny ?
      - Ny zavatra mahagaga, dia ny rehetra mikasika ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka tsy misy fotony.
      - Ohatra raha misy olona marary mafy, na voahitsakin’ny fiara tsy mataho -dalan’ny Minisitra, na olona manana toerana ambony eo @ fitondrana. Tsy vitan’ny hoe mitsaoka, fa tsy mijanona akory ilay fiara. Nefa eny @ hopitaly raha vao tsy manam-bola hividianana fanafody, sns,... dia maty ho azy eo. Ohatra iray tokony ampiasaina ny hetra izany ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Misy ny hetran-tany,sy ireo hetra maro isan-karazany. Nefa raha tena zohina, ny direktera mandray ny hetra mahavita trano goavana be, tsy fantatra hoe vola avy aiza, nefa mazava ho azy. Mila adika teny frantsay, ngamba tsy ilaina ?!

    • 22 février 2017 à 11:52 | Mihaino (#1437) répond à Be-Tsikera

      Marina mihitsy amiko ireo voalazanao ry Be-Tsikera . Tena tiako ho amahafisana ireo soso-kevitrao mikasika ny « secteur informel »mba hamporisaka azy hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna :
      - Tsy mandoa hetra (exonération d’impôt) mandritry ny iray na roa taona nitsanganany . Mino sy manantena aho fa ho maro ny mpandrahara tanora vao hisondrotra na lehibé efa am-perinasa no vonona hanara-dalàna amizay .
      - Be loatra marina ankehitriny ny taratasy takina ( trop de paperasseries , lourdeur administrative...) ka mila fiovàna haingana io fomba taloha io .Indrindra moa fa efa lasa « numérique » izao ny fitaovana misy eny anivon’ny birao lehibé samihafa ireny.
      - Tokony tsy ho very fotoana eny amin’ny birao ny mpandrahara satria be dia be ny asa miandry azy .
      Maro moa ny lesoka tokony hialàna raha te-handroso marina isika ary maro koa ny lesona azo halaina avy amin’ny tany mandroso hamora ny raharaha ( simplification des formalités ohatra)
      - Ny kolokoly izay nisy taloha dia tsara ho faizina mafy ireo tompon’andraikitra mandray na ireo olona manomé .
      Farany dia aleo hialàna amizay ity mitavozavoza ity (pays des moramora)fa tokony ho kinga sy mavitraka daholo isika malagasy fa ho gisitra lava eo.....
      - 

  • 22 février 2017 à 12:07 | Ibalitakely (#9342)

    Raha ampy & tsara fiofanana ny olon’ny CTD & ao tsara ny fanaraha-maso dia mety hamokatra ihany fa na ny resaka volan-tsena dia efa tsy voafehiny akory maika fa resaka vola misimisy. Na ny resaka patantin’ireny antsoina hoe épicerie-bar ireny aza toa tsy misy tokotaniny akory.

  • 22 février 2017 à 13:52 | TSIKOZA (#7624)

    Raha mbola ireo izay tao anatin’ny fitondrana telo nifandimby farany teto no ho mbola hitantana an’ity firenena ity dia tsy hisy azo antenaina eto. Mifamely sy mifampatahotra ireo ka samy te ahazo seza fotsiny eny fa na dia tsy ahavita n’ino n’inona aza. Ilaintsika malagasy ve izany ?
    Ireo izay miaraka sy manohana mafy an’izao fitondrana izao dia samy matahotra ny hiverenan’i Ravaloavokoa satria ao ireo nanongana ary ao koa ireo namadika palitao sns.....
    Raha ny politika no asiana fahavalo dia tsy handroso isika ary minoa ahy ianareo fa na inona hatao eto na ho tanterahina aza ny fampihavanam-pirenena HVM dia tsy mety hisy hihavana izany ireo.
    TSY MANDEHA, izay no azo ilazana ny raharaham-pirenena amin’izao ka ny fanilihana ireo mpanao politika mpangoron-karena ireo ihany no vahaolana. Antsoina ireo malagasy monina sy miasa any ivelany rehetra sy ireo izay tsara sitra-po eto antoerana mba hitodi-doha hanarina ny toe-tsaina malagasy sy handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.
    Olona vaovao tsy manana adiady politika no tohanana amin’izay tsy lany andro intsony fa tonga dia miroso amin’ny politika hampandroso an’i Gasikara sy hanatsara avy hatrany ny fiainam-bahoaka.
    Aiza ve dia, ho taperina foana ny « mandat » ka hiandry fifidianana fotsiny na dia tsy hisy fiovan-javatra akory ?
    Efa tsy misy filaminana ny fiarahamonina ; izay no mahatonga ny rafitra rehetra tsy ekeny sy atokisan’ny vahoaka intsony ka mahatonga azy mitroatra mamaly hatramin’ireny mpitandro filaminana ireny aza.
    TONGAVA SAINA E ! TIA TENA LOATRA IANAREO !

  • 22 février 2017 à 16:34 | Jipo (#4988)

    Bonsoir !
    « Le sénateur Mohamed Mourad Abdirassoul a dispensé depuis 2016 des formations en bonne gouvernance »
    SANS BLAGUES !!!
    c ’est à ceux qui l’ ont mandaté pour que mustafa doit dispenser ses prèches !
    alla ouak/ ./

    • 23 février 2017 à 00:20 | el che (#344) répond à Jipo

      Avant de chercher à augmenter les recettes fiscales, il faudrait peut être expliquer aux citoyens à quoi servent les impôts, et l’affectation desdites recettes.

  • 27 février 2017 à 09:39 | lysnorine (#9752)

    « L’Etat veut accroître de 20% le taux de recouvrement fiscal pour cette année budgétaire. Le directeur général des Impôts explique pour ce faire deux axes à développer, d’une part le contrôle en partenariat étroit entre les services des impôts et les collectivités territoriales décentralisées (CTD) et les fokontany, auprès des petites et micro entreprises »

    Mialoha ny fikendrena ny hampahomby ny fampidiran-ketra any amin’ny zara-tany isan-karazany, dia ny FITSITSIANA ny hetra izay efa hita hatramin’izay fa mba tafiditra tsara ihany no tena tokony hahamay indrindra ny filohan’ny governemanta sy ny ministra misahana ny fitantanam-bolam-bahoaka raha ny fahaizana mitantanana tsara ny Fanjakana no tena banjinina.

    Tsy ilaina na nilaina nandaniam-...bola sy andro izany fampiofanana an’izao sy izao izany, eran’ny zara-tany, izay ezaka tsy isalasalana fa tsy hisy voka-tsoa azo antenaina ho raisina avy aminy.

    Torak’izany koa hevin-dravina eo amin’ny lafiny ekônômia izany « fanenjehana » ity bantibantina hoe « économie informelle » ity. Zara aza raha mahavelona ny fianakaviany izay miaina ao anatiny, koa tokony vao mainka hampiana izy ireo fa tsy sakantsakanana amin’ny fitakiana aminy taratasim-panjakana izay mazàna tsy mendrika afa-tsy mafamana diky. Ny hita miharihary ety ivelany fa manan-karena – SIGNES EXTÉRIEURS DE RICHESSES – kanefa tsy mifanandrify amin’izany ny fanambarana nataony momba ny hetra sy ny hetra naloany nandritra ny FITO TAONA lasa ohatra no tokony hasian’Ingahy Directeur Général des impôts fiheverana.

    Indro averinay ny soso-kevitra sasany efa narosonay teto momba ny FITSITSIANA izay azo TANTERAHANA AVY HATRANY sy MIALOHA ny fanatsarana ny fampidirana ny hetra any amin’ny vatam-bolam-panjakana !

    Zahao : Les députés forcent l’inscription des 4X4 dans la loi des finances 2017
    jeudi 24 novembre 2016
    http://www.madagascar-tribune.com/Les-deputes-forcent-l-inscription,22693.html#comment326843

    # 25 novembre à 09:20 | lysnorine (#9752) répond à Gérard ^
    @ rakotoson (#8023) répond à Gérard/ HALTE AUX GABEGIES
    [Tohiny]

    « [B] Cela dit , on parle là des députés. Mais, les dirigeants ne devraient pas non plus jeter par la fenêtre l’argent des contribuables en octroyant des véhicules de fonction et AUTRES DÉPENSES STÉRILES à qui mieux mieux !!! »

    « Faran’izay mari-pototra io fanakianana ny FANDANILANIAM-POANA io. Efa nasongadinay tamina sehatra hafa fifanakalozan-kevitra fa ny teny hoe « FITSITSIANY » dia toa tsy mba hita mihitsy ao anatin’ny kabarin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpilalao pôlitika malagasy ankehitriny ! Raha vao topaza-maso kely fotsiny avy ety ivelany anefa ny firafitry ny fandanian’ny fanjakana ny volam-bahoaka, dia miharihary ny fanavaozana mahomby azo ampiharina aminy tsara avy hatrany. Ary tsy misy ilàna akory itony fakan-kevitra karamaina lafo be antsoina hoe « consultant » itony ny fanatontosana azy...na ny fampianarana fahaiza-mitantana fitondram-panjakana ( « bonne gouvernance ») avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena isan-karazany.

    « 6°- Zavatra iray tena mahamenatra indrindra eo imason’ny vahiny itambezonana tsy misy farany « fanampiana dia ny aneken’ireto Filoham-pirenena rehetra teo aloha ireto ny tombon-tsoa tsy hita nonoa nomena azy manokana, kanefa faran’izay mangidy ny fahoriana zakain’ny vahoaka nentiny fahizay. Tokony tsy ho mamy hanina an-tanana mihitsy izy ireo amin’ny naha-filoham-pirenena azy taloha ka mahalala manolotra ny vola rehetra lany aminy mandritra ny herin-taona FARA-FAHA-KELINY indrindra hamonjena ireo vahoaka matin-kanohanana any ATSIMO ireo, sy any an-kafa koa.

    « 7° Ny TAFIKA malagasy ankehitriny dia tsy misy ilàna azy na kely aza, fa fandaniam-bola fotsiny ka mila ravàna tanteraka. Tsy manam-pahavalo avy any ivelany mety hanafika azy i Madagasikara, ary raha sendra mitranga aza izany dia tsy ampy toa inona dia ho fongana tanteraka ny tafika malagasy...mbola ho latsaka ben’ ny 6 andro nanapotehan’ny Israelianina ny tafiky ny Fanjakana arabo maromaro tamin’ny Jona 1967 ! Tsarovana fa karazana « haingon’akanjon’ » ny fiverenan’ny fahaleovantena no nananganana tafika malagasy tamin’ny 1960. Koa ny fandefasana misotro ronono ny manamboninahitra tsy tambo isaina ao amin’ny tafika malagasy, andaniam-bola tsy toko tsy forohana, ary ny fampiofanana ny miaramila hafa amina raharaha hafa no fahendrena.

    « 8° Ny fanafoanana TANTERAKA ny tombon-tsoa sy tambin-karama fomena ny mpanao fanjakana ambony mbany ny mpitsara (fanomezana azy ireo trano ipetrahany maimaim-poana na vola atao solony, fandoavana ny JIRAMA laniny, fanomezana azy ireo fiarakodia na vola solony, fanomezana azy ireo taratasin-dasantsy maimaim-poana, fanomezana azy ireo mpiasa, saofera, karamain’ny fanjakana, sns.). Ny karamany ankapobeny fotsiny - TSY MISY TAMBIN-KARAMA na toa inona na toa inona - no asondrotra.

    « Fanampin’izany dia mila foanana ny fitsangantsanganana mankany andafin-dranomasina hanatanteraka sarisarin-draharaha hanirahana mpanao fanjakana ambony. Raha tena ilaina, dia ny solontenam-panjakana efa any ivelany ihany no asaina manatrika ny fivoriana.

    « Mifanindran-dalana amin’izany ny fanafoanana tanteraka ny “DIRECTION GÉNÉRALE” sy ny “DIRECTIONS” marobe isaky ny ministera ka hodiasana “chefs de service” sy “chefs de bureau” maromaro izay afaka mandidy sy manapaka avy hatrany amin’ny raharaha andavanandro hanatonan’ny vahoaka azy, fa tsy miandriandry sefo any ambony mpanao sonia [sy mpampanisy fitombon-kase !.]
    [hotohizana]

    • 27 février 2017 à 09:55 | lysnorine (#9752) répond à lysnorine

      [Tohiny sady farany]

      « 9° Tahaka ny fandravana ny TAFIKA ihany dia ilaina akatona ny AMBASADY na CONSULAT any ivelany, HITSITSIANA ny volam-bahoaka. Iaraha-mahalala amin’izao andron’ ny hafainganan’ny fifandraisana amin’ny lavitra izao, fa mifandray mivantana ny mpitondra fanjakana eran-tany. Tsy misy tena ilàn’ny Fanjakana ohatra an’i Madagasikara azy intsony koa ankehitriny ny hanaovana ambasady ho karazana FIRAVAKY ny sata maha-mahaleo-tena azy.

      « Mora sy haingana koa ny fampitàna taratasy koa tsy misy ilàna mpitan-tsoratra na mpanao taratasy firy intsony (« vata kely » mpandray antontan-taratasy fotsiny) hisahana izany raharaha izany amin’ny ambasady na consulat. Raha ny fijery azy tsotsotra avy ety ivelany, dia ankoatran’i Beijing (Sinina), Berlin (Alemanina), Môsko (Rosia), Parisy (Frantsa), Washington (Etazonia), azo hakatona tsara ireto ambasady malagasy any ivelany ireto, alahatra araka ny abidia :

      « Afrika Atsimo, Alizeria, [+ Belizika] Italia, Japananina, Kanada, La Réunion, Môrisy Senegaly, Sohisy mbany ny karazany : UNESCO, Firenena Mikambana, Firaisana Afrikanina, Londra (??), sns. Farany, tsy toko hihoatra ny FOLO ny isan’ny mpiasa amin’ny ambasady lehibe indrindra, dia : telo (3) ny TENA diplômaty, avy amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, ary anisany ny AMBASADAORO ! Roa (2) ny mpandraharaha avy amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny (attaché des affaires étrangères) ; agent comptable, 1 ; sekretera/telefaonista/réceptionniste roa (2) ary saofera roa (2). Ny Fanjakana tsy misy lanjany tahaka an’i Madagasikara eo amin’ny ny pôlitika fifandraisan’ny firenena eran-tany sady mahantra, dia tsy tokony hitobiana « fokonolona » MIDONANAHAM-POANA ny ambasadiny any ivelany.

      « Asa Ingahy ministra misahana ny fitantanana ny Volam-bahoaka sy ny mpanao fanjakana ambony miara-miasa aminy raha mba afaka manome tarehi-marika manatontaly ny FITSITSIAM-BOLAM-BAHOAKA vokatry ny fampiharana ireo fanavaozana ireo sy MAMPITAHA azy amin’ny tontalin’ny VOLA SAMBORINA any ivelany isan-taona. »

      Raha itodiana kely indray ny hetra miditra, dia tokony haverina ny HETRA ISAN-DAHY izay faran’izay KITOATOA indrindra no nanafoanan’ny governemantan’Itpkl Ramanantsoa azy ka nireharehan’Ingahy Ratsiraka fa izy no tompon’izany hevitra nampidi-doza izany.

      Manarak’izany, mahatsotra ny raharaha raha hampandoavina fadintseranana sy haba DAHOLO ny entana REHETRA miditra eto Madagasikara, TSY MISY AVAKAVAKA. Mampihena izaitsizy ny fanaovana komiberaka sy ny fandraisana kolikoly izany. Ho fanamafisana izany, dia mety FERANA ho ROA fotsiny sisa ny isan’ny ampahan’ny masonkarenan’ny entana nafarana, vidin’ny fadin-tseranana, dia : ny ampiharina amin’ny entana sokajina ho « rendrarendra sy ny haingitraingitra » sy ny hafa rehetra ankoatr’izany. Tsy misy zavatra hanahirana ny douanier sy ny mpamoaka entana intsony amin’izay ary tokony ho foana hatreo ny fahazoana manao kolikoly eo amin’ny fifaneraseran’ny mpiasan’ny ladoany sy ny transitaire mpamoaka entana. Fitànana ny Statistikan’ny entana miditra no ho tena zava-dehiben’amin’ny raharahan’ny Douanes amin’izay.

      Farany, tsy misy tokony hisakana koa ny hanaovan’ny fanjakana didy MITAKY ny tonga dia handoavan’ny BANKY ETO AN-TOERANA aminy AVY HATRANY ireo fadin-tseranana sy haba ireo amin’ny anaran’ny MPANAFATRA ENTANA, VANTANY VAO VOARAINY avy amin’ilay bankin’ny mpanondrana ny entana any andafin-dranomasina ny TARATASY REHETRA momba ny fifaneken’ny mpivarotra sy ny mpividy ny entana ary ny nandefasana azy ireo (« crédits documentaires »).

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS