Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h12
 

Teny zato, kabary arivo

Fitondrana Tetezamita ?

mercredi 9 mai 2007 |  425 visites  | Naivo kely

Taona 2005, nitaky ny hananganana fitondrana Tetezamita ny fikaonan-doham-pirenena nomanin’ny 3FN tetsy Andoharanofotsy. Very an-javony teny ny fitakiana. Niroso hatrany ny mpitondra, koa dingana roa lehibe izao no vitany tao anatin’ny 4 volana monja. Desambra 2006, vita ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Aprily 2007, vita ny fitsapan-kevi-bahoaka hoentina nanovana andininy maro teo amin’ny lalam-panorenana. 28 andro tao aorian’io, lany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 75% ny vato nanan-kery ny fanovana goavana.

Ny andron’ny 27 aprily tolakandro, dia efa nanan-kery ny lalàm-panorenana vaovao satria efa nivoaka tamin’ny haino aman-jerim-bahoaka ny lalàna mampihatra azy. Nosamborina ny ampitson’io ny Senatera, depiote ary mpanolotsain’ny tanàna tany Toliara. Porofo fa nihatra avy hatrany ny lalàm-panorenana vaovao. Io lalàna fampiharana io ihany koa no manome 24 volana ny mpitondra ankehitriny hametrahana ny rafitra vaovao. F’angaha moa tsy maika ny fampandrosoana tiana atao no ho lany 2 taona be izao indray hametraka rafitra ?!! (Rafitra = fototra).

Tapitra tamin’ny faran’ny volana aprily 2007 teo ny fotoam-piasan’ireto loholona, nefa dia mbola tsy nisy fiantsoana fifidianana hanoloana azy ireo. Tsy handrenesam-peo ny fanjakana fa dia mandeha ho azy toy ny lakan-tsy voizina ny fivorian’ireto loholon’i Madagasikara ao Anosy ao.

Faritra no fizarana ara-panjakana vaovao eto amin’ny Nosy. PDS, filohan’ny delegasiona manokan’ny faritany mizaka-tena no manetsika tafika, polisy hanenjika ny mpanao fihetsiketsehana sy misambotra ireo heverina ho mpitarika ny mpanao fihetsiketsehana.

Koa inona moa fa tsy tanteraka ny fanirian’ny 3FN fahiny ny amin’ny tokony nametrahana fitondrana tetezamita ?!!

Saingy ny mbola tsy mampangiana azy ireo, dia tsy inona tsy akory, fa tsy misy seza ho azy ireo ny tetezamita roa taona ho fametrahana ny rafitra vaovao, koa tojo amin’ilay fitenenana hoe : « mitana akanjo an-tànana ; ka vasoka an-danonana » ny mpanohitra ankehitriny.

Soa lavo hahay hamindra e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS