Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 20h24
 

Teny zato, kabary arivo

Fiakatry ny karama 12%, ny hetra alaina 25%

lundi 12 novembre 2007 |  934 visites  | Naivo kely

Dia tapaka indray izany fa hakan’ny fanjakana 25% ny karaman’izay mandray sahala na mihoatra ny 180.000 Ar isam-bolana manomboka io taona hitsidika io, mba hamenoana ny kitapom-bolam-panjakana mba ahafahana mampandroso haingana ny firenena. Ny hetra no voalohany amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena iray manontolo, ka raha manify io, dia ho zava-poana ny fandrosoana eto. Kivy indray ny isan-tokano nandre io filazan’ny fanjakana io, satria vao tsy ela no hialana 15% ny isan-tokantrano izay aloha amin’ny JIRAMA, ary azo antoka fa hiakatra ihany koa ny vidim-piannana manolona ny sondrom-bidy ho 100 dolara ny barila eo amin’ny solika eran-tany. Dia io hakana hetra 25% io indray ny vola kely mba miditra amin’ny isan-tokatrano. Inona intsony no mba hiveloman’ny olona raha toy izao no jerena ? Ny fiakatry ny karama 12%, kanefa ny hetra alaina 25% ny karama. Ny fandaniana eo amin’ny fitantanana ny fiainam-bahoaka anefa dia io hiarahana mahita io ny 4x4 mirantiranty etsy sy eroa, ary ny tombon-tsoa isan-karazany tsy lazaina intsony. Fa mba manao ahoana ny an’ny vahoaka madinika ? Minoa fotsiny ihany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS