Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h26
 

Teny zato, kabary arivo

Fanovana hafahafa

mardi 30 octobre 2007 |  707 visites  | Naivo kely

Ny fanovana ny Governemanta no vita fa ny resaky ny mpitazana tsy azo ahilika. Fanantenana goavana no handrandraina amin’ity indray mitoraka ity, izay noventesin’ny filoham-pirenena tompon’ny teny farany fa iraka manokana no handrasana amin’ity andrim-panjakana vaovao ity. Raha ny firafitra aloha dia olona mahatoky ny filoha avokoa ireo nomena toerana ireo, ary tsy ilaina intsony ny marimaritra iraisana tsy nahitana vokatsoa toy ny fahita hatramin’izay fa ny baolina maty no hifampitsarana.

Tsy azo lavina fa misy ny lesoka saingy hiniana sarotsaronana. Ambara fa mandeha ny raharaham-pirenena, koa nahoana no navadika ny minisitra nitana andraikitra tao amin’ny ministera roa goavana dia ny Vola sy ny Fampianarana ? Inona no tsy vitan’ny iray ka nosoloana ny ankilany ? Na inona fanazavana ho entina manoloana ireo, dia tsy azo kosehina fa nisy tsy nitokisana tao saingy sarotra no hanaisotra ny iray amin’ny toerany ka aleo navadika hoy ny mpitazana ? Fanovana hafahafa iny, saingy fampandrosoana maika no tadiavina, ary hita fa olona manana ny fahaiza-manao ireo notendren’ny filohan’ny Repoblika ireo ka tsy aleo ve mifanome tànana, toy izay hifampitsikera lava eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS