Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h49
 

Teny zato, kabary arivo

Fadiranovana

jeudi 30 août 2007 |  180 visites  | Naivo kely

Karavasy mirivorivo miampy ozona no azon’ny zaza notezaina tao amin’ny antoko AREMA rehefa nandositra nandao ny akany ny ray mpiahy ny fianakaviana, ka moa va tsy ireny zaza kamboty velon-dray aman-dreny ireny ity antoko ity. Niezaka hanarina ny fiainan-tokan-tranony anefa ireto zaza tavela, saingy tsy tso-drano no azo fa fanozonona.

Raha mahita ny tenin’ny amiraly tamin’ny gazety teto an-toerana ireny tokoa ve moa, dia iza no mbola sahy hilatsaka amin’ny anarany izay milaza fa mpamadika sy mpivadi-belirano izay mbola minia hirotsaka amin’io fifidianana io.

Fiainam-piaraha-monina eto amintsika ity mivadi-belirano ity ka ny rafilahinao omaly, no indro fa mpiray ondana aminao anio. Iza no hieritreritra fa ingahy Zafy Albert mpifaninana tao anatin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika tamin’izany no indro fa andry iankinan’i Amiraly ankehitriny ka na ilay bileta aza nankinina aminy. Midika io fa tena tsy nisy nilàna azy ireto Arema mpiady an-trano ireto, ka ny UNDD no zary faneva hanohy ny tolona angaha ?

Fadiranovana ireto zaza kamboty, nilaozan-dray tsy fidiny ireto, kanefa noho ny hambom-po tao amin’ny tsirairay dia niroso hanohitra ny tsy rariny eto amintsika amin’ny fihetsiky ny fitondrana mijoro izy ireo. Nisy ny ankivy napetraka ka voalaza fa tsy azo omena ny bileta efa voatonta, ka ny Profesora Zafy Albert no mitazona io, izay tsy AREMA fa mpifaninana tamin’ny fotoan’androny.

Raha ny vaovao farany anefa dia nianto-tena ireo izay nirotsaka namelo-maso ny antoko, saingy na ny any am-paosin’ny tsirairay aza no nivoaka dia mbola ny lavaka nipoirana ihany no tsy maintsy hosora-menaka. Ho azon’ny ozona ve izany ireto mihevitra fa hamelona ny anaran-dray eto an-tanin-drazana ireto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS